Teny amin’ny Le Logis Tsara-lalàna no nilazan’izy ireo, tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny, Rabeviavy Brice Christopher, no nampahafantarana izany, ka i Din Rotsaka no filoha vonjimaika ny fikambanana hatreto satria mbola tsy tafahoana niaraka avokoa ny rehetra nanaovana fifidianana. Hamelona ny sanganan’asan’ireo mpanakanto rehetra ny Vorondolo Club raha ny voalaza teny an-toerana, na ireo efa nodimandry izany na ny mbola velon’aina, dia hoezahin’ny Vorondolo club hovelomina avokoa.
Hahatsiaro manokana an’i Dr JB
Hanome voninahitra manokana an’Itompokolahy Dr JB, izay mpanakanto nanana ny lazany ihany koa ny Vorondolo Club, satria araka ny nolazain’izy ireo fa mbola velona ao am-pon’ny mpanakanto ny sanganasany ka hanatanteraka hetsika alina miavaka eny amin’ny Cemes Soanierana izy ireo ny sabotsy 29 marsa ho avy izao.
Manodidina ny 150 mahery any ny sanganasan’i Dr JB ho velomina, ka hampiavaka azy ny fandimbiasan’ny zanany lahy azy amin’ny fihirana ny sanganansany.
Nomarihin’ny mpikambana ao amin’ny Vorondolo Club fa ny vola azo rehetra mandritra ny fampisehoana amin’io alin’ny 29 marsa io dia hamenoana ny kitapom-bolan’ny fikambanana entina hanaovana hetsika fahatsiarovana lehibe any Andapa, ny 7 oktobra ho avy izao izay tsingerin-taona nahafatesan’i Dr JB tany an-toerana ary hanasongadinana ny fasana ilevenany, izay efa nahazoana alalana avy amin’ny Distrika any an-toerana fa havaozina ary atao miavaka mba ho tsarovan’ny olona, eo ihany koa ny fananganana tsangambato ho azy.
Hisy ny fanolorana mari-pankasitrahana
Nomarihin’ny Vorondolo Club ihany koa fa fomban’ny fitondràna eto amintsika dia rehefa maty vao Ramalala ka hisy ny fanolorana mari-boninahitra sy mari-pakasitrahana ho an’ireo mpanakanto. Mba hialàna amin’izay fomba izay sy ho fampahafantarana ny Fanjakana fa mbola velona dia tokony h tolorana izany ny olombelona, dia hanao hetsika ihany koa ny Vorondolo Club amin’io volana oktobra io ihany ka hanolotra mari-pankasitrahana ireo mpanakanto namany izy ireo izay hita fa tokony omena izany, indrindra ireo izay efa nahazo taona.
Rasoa