Webradio

TRANGA

SAMBAVA : Pasitera nanolana zazavavy kely enin-taona

Zazavavy kely enin-taogno nisy nagnolagna tagny Sambava. 25 août 2014

Araka ny loharanom-baovao voaray akaiky ny fianakavian’ilay zazavavy kely voaolagna dia pasitera amina fiangonana zandriny araiky agny an-toeragna izay mifanila tragno amin’ny ray aman-drenin’ity zazavavy ity ao amin’ny kartie antsoina hoe Antanifotsy no nahavita nagnolagna ilay zaza.

Herignandra araiky taorian’ny fagnolagnana ity no nahatsikaritra ny ray amandrenin’ilay zazavavy kely fa misadekadeka ity farany rehefa mandeha. Teo amin’izay vao nahafantatra izy ireo fa voaolagna ny zanakan-dreo. Rehefa nagnontaniagna ity farany, na dia somary natahotra izy tany am-boalohany dia namôsa ihany.

Tamin’izegny no nagnambarany fa ilay pasiteran’ny fiangonana zandriny, izay jiranin-dreo no nagnolagna izy. Mbôla zazavavy kely ity ihany no nilaza fa nampitahôrin’ilay pasitera ny tegnany. Nambaran’ity farany fa raha mamôsa izy ka manognono agnarany dia hovonoiny. « Voneny za koa magnambara », hoy ny fagnazavan’ilay zazavavy kely tamin’ny ray aman-dreniny.

Nametraka fitoriagna ireto farany fa tamin’io andra io ihany (alakamisy), nanjavogno ilay pasitera ary tsy hita ny tany izay nalehany. Mandeha anefa ny feo fa nandositra agny Antananarivo ity pasitera ity. Na aiza na aiza misy ity pasitera ity, tsy ho sarotra amin’ny mpitandro filaminana hisambotra azy araka ny fahitan’ny maro azy.

Andrasagna arak’izegny ny vokatry ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana. Fa na izegny na tsy izegny hegnatra ho an’ny fiangonagna tantanany ity pasitera ity sy ny namany niasa tagny Ampanefena izay voarohirohy amin’ny famonoagna ilay zazalahy kely efatra taogno tagny an-toeragna.

A.Lepêcheur

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés