Webradio

FARITANIN’I TOAMASINA : Mitaky fotodrafitrasan’ ny fizahantany i Ambitsiky

Teo Ambitsiky toerana mahafinaritra sy stratejika be io no toerana namorian’ilay Mpanjaka Ratsimilaho an’ireo Tangalamena sy olo-maventy maro Antavaratra, tamin’ny taona 1712, volana aogositra fahatelo andro nahafeno diavolagna ka nivoahan’ilay teny hoe : « Be tsy misaraka ». 3 décembre 2014

Toerana izay azo ambara fa manan-tantara tanteraka ary mahasintona mpizaha tany. Fanirian’ny mponina mipetraka manamorona ity toerana Ambitsiky ao Mananara-Avaratra ity ny mba hisian’ny fotodrafitrasam-pizahantany any an-toerana mba hisian’ny firoboroboan’ny fizahantany misy fiantraikany amin’ny fiharian’ny mponina manodidina.

Toerana azo trandrahina tsara ho kitro ifarahan’ny fizahantany ao anatin’ny
Distrikan’i Mananara-Avaratra i Ambitsiky.

Kamy

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés