Webradio

TSY FANAJANA NY ZON’OLOMBELONA : Nokianin’ny CETIM tany amin’ny ONU ny Fitondrana

Ny 19 marsa teo no nandalo fanadihadiana teo anoloan’ny Filankevitra momba ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana i Madagasikara. 23 mars 2015

Fanadihadiana sy tombana momba ny zava-misy manodidina ny fiarovana sy fanajana ny zon’olombelmona teto Madagasikara nandritra ny vanim-potoana 2010-2014 ity natao ity.

Tsy nahafa-po ny Filankevitra momba ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana ny zava-misy eto Madagasikara. Toromarika 132 amin’ny 160 momba ny zon’olombelona ihany no neken’i Madagasikara. ONG iraisam-pirenena goavam-be miisa telo no nanao tatitra tany amin’ny Firenena Mikambana, izay nitondra fanamarihana mavaivay ho an’ny Fitondrana Rajaonarimampianina fa “mandringa ny fanajana ny zon’olombelona amin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao”. Ohatra noraisin’izy ireo ny fisamborana tsy manara-dalàna, ny fanelingelenana ny fahalalana maneho hevitra.

Miantso ny Firenena Mikambana ireo Ong iraisam-pirenena goavam-be telo ireo mba hanokatra fanadihadiana manokana sy mahaleotena eto Madagasikara momba ireo tranga fanitsakitsahana zon’olombelona ireo. Iray amin’ireo vondrona mitaky izany ny Cetim na Centre Europe-Tiers Monde, izay fandaharan’asa iraisam-pirenena kalaza amin’ny fanaraha-maso ny zon’olombelona maneran-tany.

Kamy

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés