Webradio

FARAFANGANA - LION’S CLUB : Nanao velirano ny faha 24 aprily lasa teo tao amin’ny hotely Austral

Naharitra adiny roa mahery ny lanonana izay notontosaina ny faha 24 aprily lasa teo tao amin’ny hotely Austral momba ny fametrahana amin’ny fgomba ofisialy ireo mpikambana mpanorina ny fikambanana Lion’s club mitondra ny anarana Farafangana. 30 avril 2010

Naharitra adiny roa mahery ny lanonana izay notontosaina ny faha 24 aprily lasa teo tao amin’ny hotely Austral momba ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana mpanorina ny fikambanana Lion’s club mitondra ny anarana Farafangana.

Maro ny olomankaja nanome voninahitra ny fotoana  na ny avy eto an-toerana na ny any ivelany na ny avy andafin’ny riaka nahitana ny “Past President”, ny “lion’s guide  certifié”, ny governor ny distrika 403 ary ireo olom-boafidy notronon’ny lehiben’ny faritra Atsimo Atsinanana ka nanome endrika miavaka ny lanonana.

 Nosantarina tamin’ny lahateny isan-karazany ny fotoana ao anatin’ny fanajana ny harifenitra tanteraka, nampatsihahivana ny antom-pisian’ny fikambanana dia ny fanampiana ireo sahirana izay niorina tany Toliary tamin’ny taona 1957 ary ny faha 27 izao mitsangana eto Farafangana izao. 

Rehefa izany dia namaky ny fianianana ny filoha lefitra ravelojaona Claude amin’ny anaran’ny mpikambana 24 vaovao sady mpanorina ny vondrona eto Farafangana. 

Nandray fitenenana ihany koa ny filoha mpitarika ny  vondrona Farafangana fleuret-te raharisoa nanome toky fa hanaja ny fitsipika mifehy ny  fikambanana. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fanomezana ny marika manokana sy ny mari- pankasitrahana ny fotoana izay narahan’ny fanehoana ny saina mampiavaka ny vondrona Farafangana sy ny sata mifehy.

 Natolotra ny filoha ihany koa ny lakolosy izay entina manokatra sy manakatona ny fotoam-pivoriana ka izy no namarana ny fotoana. Sambany vao nisy itony “club de service itony” teto Farafangana hatr’izay ka antenaina fa hitondra vokatsoa hona’ireo olona sahirana izy ireo satria dia nihanitombo ity sokajin’olona ity taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Hubert.

Mahatratra 1 400 000 ireo mpikambana lion’s maneran-tany amin’izao fotoana izay misandrahaka amin’ny firenena 200.

Andriamamoriarivo

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés