Webradio

AMBOHIDRATRIMO Nodoran’olon-tsy fantatra ny rova :

28 août 2015

Rava tanteraka tsy nisy noraisina ny rovan’Ambohidratrimo. Indray hotohoton’ ny afo tamin’izany ny trano manara telo miandalana . Lasa lavenona avokoa ny entana sy ny vakoka rehetra notahirizina tao anatiny, nanao izay ho afany ihany ny mpamonjy voina sy ny fokonolona kanefa tsy nahafehy ny firehetana.

Vao herinandro lasa izay no may ny rova teny Ambohitrimanjaka dia izao lasibatra izao indray ny eny Ambohidratrimo. Ny alin’ny alarobia teo tany amin’ny 11 ora sy sasany tany ho any no nitrangan’ity loza teny an-toerana ity. Saika noho ny hetraketraka nataon’olon-tsy fantatra avokoa no nahapotika ireo trano izay azo lazaina ho lova sy tantara ho an’ny taranaka faramandimby ireo. Ny an’ity farany dia fantatra fa tena niniana natao mihitsy saingy mbola tsy fantatra kosa hatreto izay olona nanatanteraka izany. Mbola hita tsy lavitra an’ilay rova ny tavoahangy miisa telo nasiana ny solitany nentina nandrehetana ny trano.

Araka ny vaovao voaray dia tsy nisy nahatsikaritra na inona na inona ny mponina fa ny afo efa nijoalajoala no nampisomaritaka ny fokonolona teo amin’ny manodidina.
Avy hatrany dia niantso ny mpamonjy voina avy aty Antananarivo ny tompon’andraikitra ka niezaka nanao izay ho afany ihany ny mpiray tanàna kanefa noho ny tsy fahampian’ ny fitaovana dia tsy resy tosika mihitsy ny afo. Nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ihany koa ny mpamonjy voina kanefa azo lazaina ho tara ihany ka tsy nisy na inona na inona avotra tao amin’ ilay rova. Trano manara telo miandalana no indray lasa lavenona niaraka tamin’ny vakoka izay napetraka.
 Efa tonga nizaha ifotony ny zava-nitranga teny an-toerana ny Zandary. Mitohy hatreto ny fanadihadiana ataon’izy ireo mikasika ity raharaha ity.

Avotra isaorana

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés