Handray anjara amin’ny fifaninanana familiana fiarakodia i Ranarivelo Jean-Yves na i Joda, rehefa nihato telo taona ka tsy nahitana azy tao anatin’ ny “RALLYE”. Amin’izao fotoana izao anefa dia tapa-kevitra ny handray anjara indray ny lehilahy.
Araka ny fanazavana nomeny dia i Ranaivompianina Rila mpanamory mpanampy no nangataka azy hiverina indray eo amin’ity tontolon’ny fifaninanana fiarakodia ity. I Rila mantsy raha araka ny fanazavany no niantoka ny fiara hoentin’izy roalahy ireo ka hiseho voalohany amin’ny fifaninana izay hatao amin’ny faran’ity herinandro ity.
« Noho ny fifampitokisana nisy teo aminay dia tsy nisalasala i Rila niresaka tamiko ka izaho no hitondra ny fiara mandritra ny fifaninana ary izy kosa no ho mpanamory mpanampy ahy amin’izany » hoy i Joda.
Na izany aza anefa dia somary sahirana ihany i Joda hiatrika ity fifaninana ity, satria tsy dia ampy loatra ny fanomanan-tenany sy ny fiarahany amin’i Rila. Nambarany mantsy fa fotoana fohy fotsiny no nahafahan’izy mirahalahy ireto niaraka, ka tamin’izay fotoana izay no nanao ny famantarana ny lalana hifaninanana.
Raha ny marina dia roa andro monja no nitilina ireo lalana sy ny mombamomba ny fiara. Mpanamory fiaramanidina ao amin’ny Air Madagascar mantsy i Rila ka eto an-tanindrazana matetika. Mbola any Frantsa izy izao ary ny andro hiatombohan’ny fifaninanana mihitsy vao tonga izy. « Tsy hametraka olana amiko anefa izany satria i Rila dia efa manana ny traikefa betsaka amin’ny maha-mpanamory azy sainga mbola mila mifanazatra izahay eo amin’ny “notes” tokony lazainy amiko » hoy i Joda.
Ity Rallye ho avy ity dia anisan’ireo izay hamizana betsaka ny fiarakodia mpifaninana satria ratsy ary misy lalan-tsarety aza ny sasany. Hiverina eo amin’ny fifaninanana izany i Joda ary handray anjara amin’ny “Championnat de Madagascar des Rallyes 2010”.
Fiarakodia “SUBARU Pro Pneus Pirelli Gr.N” no hampandihizan’i Joda sy Rila ary noferana ho 280 CV ny heriny. 56 taona amin’ny 18 May izao i Joda efa efa tompon-dakan’i Madagasikara in-telo (1998, 1999, 2004). Anisan’ny mpanamory ankafizin’i Joda i Matthieu, Laza, Tax, Nashemi, Mamy Kely, Haja Danielson, Sissi,... ary hiara-dia aminy mandritry ny taona 2010 ny gazetinao INO VAOVAO.COM !
Tiaray R
Kandidà iray tsy mitsahatra manaratsy ny Filoha Rajoelina POLITIKA EFA LANY ANDRO (551) 13 juin 2013
Zaza kambana hatao sorona amin’ny masoandro ho fitadiavam-bola RN 5 - TANAMBAO NOSIBE (333) 13 juin 2013
Mitombo isa ireo ankizy mbola tsy ampy taona mivaro-tena ao amin’ny faritanin’i Toamasina GARE ROUTIERE (189) 17 juin 2013
Mitaky ny fandravana ny CES i Roland Ratsiraka ANTOKO MTS (173) 13 juin 2013
Tovolahy maty voalaza fa novonoin’ireo mpanao mena mahazo BAZARIMAY ANKIRIHIRY (141) 14 juin 2013
Raikitra ny fanoloana ireo parlemanta CST sy CT sasany RAHARAHAN’ANTOKO (129) 13 juin 2013