Webradio

KAOMININA FIANARANTSOA : Tsy nahazo rariny ireo Mpanolotsaina manohitra ny fivarotana tany

Mitohy ireo dingana famindràna ny ampahan-tany nitondra ny laharana-0924 eo amin’ny Vohitr’i Kianjasoa ao Fianarantsoa renivohitra, na dia tapaka tao amin’ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Filankevitra kaominaly, tamin’ny volana mey 2016 aza ny fanoherana izany.  20 octobre 2016

Araka ny loharanom-baovao azo dia mizara efatra io tany voafaritra io ka ny didim-fanapahana, nivoaka tamin’ny taona 2012 sy 2013 tamin’ny andron’ny Filohan’ny delegasiona manonkana teo aloha no nisian’ny varotra. Mirakitra izany ny «  délibération N° 29 CM/CU/F/2012, n° 11/CM/CU/F/2013  » isany avy.

Lany tamin’ny isa 9/12 teo anivon’ny Filankevitry ny tanànan’i Fianarantsoa anefa ny fanoherana izany varotra izany sy ny fampitsaharana ireo asa fisavasavana efa atao eo amin’ ny toerana voafaritr’izany, fa indrindra ny famerenana ny tany amin’ny Kaominina.

Naterina teny amin’ ny Sampandraharaha misahana ny Fananantany ao amin’ny Faritra sy eny anivon’ny minisitera io fangatahana io saingy tsy nazahoam-bokatra.
Mitombo, araka izany, ny endrika tsy fanarahan-dalàna mbola tsy tafarina ao amin’ny renivohitr’i Matsiatra Ambony. Miandrandra ny famerenana amin’ny laoniny ity raharaha ity ny mponin’i Fianarantsoa, izay mahatsapa fangirifiriana amin’ny fahasimbana, tsikaritra eny amin’io vohitra mitoetra ho vakoka voajanahary io. Tsy nahenoana feo ny Terak’ i Kianjasoa. Miharingana tsikelikely ihany koa ny ala nandrakotra izany toerana manan-tantara izany.

Pounie

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés