Webradio

ANTOKO MPANOHITRA : Mitaky ny hanaovana fifidianana lalàm-panorenana mialoha ny 2018

Lalàm-panorenana no tokony hofidiana mialoha, fa tsy ny Filoham-pirenena amin’ny taona 2018, hoy ny antoko mpanohitra. 11 janvier 2017

Nambaran’izy ireo ho anton’izany dia ny lalàm-panorenana no lalàna hitondrana ny tany sy ny Firenena, fa ny filoha voafidy no natao hanaja sy hampihatra izany.
Amin’ny antoko mpanohitra izany dia ny lalàna aloha no tokony hofidiana mialoha sady fototra iaingan’ny fampandrosoana. Aorian’ny fifidianana ny lalàm-panorenana vao miroso amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, ny Solombavambahoaka, ny Faritra, ny Kaominina sy ny Fokontany sy ny sisa. Nambaran’ny antoko mpanohitra ihany koa fa raha mbola izao fitondran-dRajaonarimampianina izao no mbola hikarakara ny fifidianana eo dia tsy maintsy hisy ny halatra ao anatin’izany.

Tsy matoky izao fitondrana izao mantsy ny antoko mpanohitra satria tsy azo antenaina intsony ny amin’izy ireo. Eo ny fivarotana ny tanindrazana, ny fanaovana barofo ny harem-pirenena, ny tsy fijerena ny sosialim-bahoaka. Ankilany, tamin’ny kabary izay nataon’ny Filoha Hery Rrajaonarimampianina farany teo, talohan’ny faran’ny taona, dia nilaza izy fa nisy ny dingana na irika kely nialana tamin’ny fahantrana idirana any amin’ny fampandrosoana.

Tsikaritra anefa izany fa toa mbola manjaka izay fahantrana izany hatramin’ny anio. Tsy misy vahaolana, fa vao mainka aza mikaikaika amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny vahaoka tsy mandadiharona. Ny fiakaran’ny solika sy ny fahatapahan’ny herinaratra isan’andro manginy fotsiny. “Aoka tsy hampanatena poakaty ny vahoaka rehefa tsy mahita vahaolana amin’ity taona. Mialà na mametraha fialana rehefa tsy mahavita”, hoy hatrany ny mpanohitra.

RaJean 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés