Webradio

MAROLOANA SOAVINA - MIHOROHORO NY MPONINA : Mandrahona an-taratasy ireo dahalo fa hanafika

Mihorohoro tanteraka ny mponina ao an-tanànan’i Marolaona, Kaominina Soavina ao anatin’ny Distrikan’i Betafo iny. 12 janvier 2017

Manao izay danin’ny kibony ireo dahalo, tsy misy tahotra intsony fa na amin’ny andro antoandro mazava be izao aza dia manao fandrobana ry zalahy. Tsy vitan’izay fa mahavita manaparitaka taratasy eran’ny tanàna, sy mandefa hafatra mialoha ihany koa izy ireo izay milaza fa ho tonga hanafika ny tanàna.

Ny talata lasa teo raiki-tahotra ny mponina tao an-tanàna, efa nilaza mialoha mantsy ireo dahalo fa ho avy hanafika sy handravarava ao an-toerana. Nambaran’ireo mponina fa rehefa mandefa hafatra mialoha tahaka izao ireo olon-dratsy dia tena tonga tokoa. Tsy misy azon’izy ireo hatao afa tsy ny mihainohaino izay hafitsok’ireo malaso. Fantatra fa tsy sahy mampilaza ny mpitandro filaminana ireo mponina noho ny tahotra amin’ny mety hisian’ny valifaty mahery vaika hataon’ireo olon-dratsy.

Tsy afa-bela amin’ny asan-dahalo ny Distrikan’i Betafo iny, mirongatra izay tsy izy ny halatr’omby arahin’ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana. Manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa anefa ny mpitandro filaminana ankilan’izay saingy maro an’isa ireo dahalo.

Tsy ampy fitaovana ihany koa ireo mpitandro filaminana ary ny tena olana goavana dia mahery vaika noho ny fitaovam-piadiana ampiasan’izy ireo no eny an-tanànan’ireo malaso ka isany mampanano sarotra ny fanarahan-dia izany.

Avotra Isaorana


MAROLOANA SOAVINA - MIHOROHORO NY MPONINA
2017-01-12 15:18:46 par mehdi mountather

Ce séisme a Madagascar avertissement d’ALLAH aux gouvernement et peuple du Madagascar de se convertir a l’islam aujourd’hui urgent pour éviter la mort par ces punitions d’ALLAH un séisme plus 6 tsunami les inondations les foudres les tornades météorite astéroïde volcan typhon et les virus merci.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés