Webradio

VOLA FANAMPIANA NY DISTRIKA : Nitraotra ny Depiote,Loholona ary ireo Ben’ny Tanàna any Alaotra

Tsy mifanaraka amin’ny hetaheta sy ny fotodrafitrasa nangatahin’ireo Kaominina miisa efatra nahazo io fanampiana io ny asa natao any amin’izy ireo tamin’ny alalan’ilay vola fanampiana hanaovana asa fampandrasoana eny anivon’izy ireny avy amin’ny Fitondrana. 12 janvier 2017

Vokany, nampiaka-peo avokoa ireo Ben’ny tanàna nanakiana izany. “Tsy mahafantatra ary tsy nampahalalaina anay akory ny fisian’ny asa izay notontosaina tany aminay”, hoy izy ireo. Isan’izany ny ao Ampitatsimo sy Ambohiboromanga ary Antsangasanga sy Andilanatoby izay samy nitaraina fa tsy arakaraka ny noeritreretina ny asa.

Ho an’ny Kaominina Antsangasanga, raha tetezana vita amin’ny vato mafy no nangatahina atao tamin’ilay vola fanampiana dia tetezana hazo no namboarina ao amin’izy ireo ny tsy nitenenanay fotsiny dia ny hoe aleo misy toa izay tsy misy an’io. Ho an’ny Kaominina Ampiatatsimo kosa dia fantatra fa asa zara fa vita no natao ao araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna Baiandry. Tetezana vato mafy no nangatahina kanefa asa tsy maram-penitra no nomena anay ary ny tena olana, hoy izy, dia tsy mba nampahalalana anay akory na ny fanombohan’ny asa aza.

Nomarihiny manokana fa isan’ny lalana famoaham-bary io lalana io ary mahatratra hatrany amin’ny 10 taonina ny lanjan’ny fitaovam-pitaterana vary mandalo eo. Raha ny zavatra namboarina ao anefa, hoy izy, dia hita fa raha vao misy orana mafimafy dia efa ho potika io tetezana io. Iretsy Kaominina roa farany dia nilaza fa tsy ireo fotodrafitrasa natao ao amin’izy ireo ireo no nangatahina fa zavatra hafa kanefa dia ireo indray no namboarinba ao.

Mazava ny nambaran’ny Solombavam-bahoaka Andriamasimanana Aureline izay voafidy tao anatin’ny Distrikan’Ambatondrazaka fa tsy fantany ny fisian’ ireo fanamboarana ireo satria tsy nanao sonia ny fifanarahana tamin’izany izy. “Nasitrika ahy avokoa ny zavatra rehetra nampiasana io vola fanampiana io, hoy izy, kanefa aho Filoha mpiara-mitantana izany”. Tokony ho sonia roa vao misy zavatra mandeha ary ifanarahana avokoa ny fampiasana izany raha ny nambarany kanefa tsy izany no zavatra niseho fa nandeha ila, hoy hatrany izy. Nidina ifotony tokoa ny tenako hoy, ny Solombavam-bahoaka Andriamasimanana Aureline nijery izany asa vita izany na dia tsy nampahalalaina ahy aza ary nahita fa tsy nisy nandeha amin’izay tokony ho izy ny asa.Tsy afa-po aho ary tsy hanao sonia izay zavatra miseho eo ary tsy mankasitraka ihany koa ny handraisana ireo asa ireo, hoy ihany ity Solombavam-bahoaka ity.

Noho izany dia tsy tokony hisy ny vola mivoaka avy any amin’ny mpitahiry ny volam-panjakana ka hanefana ny vidin’ireo asa ireo satria tsy mazava ny fanamboarana ny asa sy nampiasana izany.

“Tsy tokony havilivily mihitsy ny volam-bahoaka fa hampiasaina amin’ny tokony ho izy ary hoentina manome tombontsoa ho an’ny rehetra fa tsy ho famenoana paosy hoy ihany ity Solombavam-bahoaka voafidy tao anatin’ny distrikan’ Ambatondrazaka ity”. Isan’ny nahazo tsiny tamin’ny rehetra ny mpitantana ny tsenam-bahoaka izay voalaza fa tsy nanaraka ny lalàna mifehy izany ka nahatonga ny olana rehetra. Raha 07 tapitrisa Ariary no vola ho an’ny Kaominina iray dia zara raha nisy ampahany kely tamin’io no nampiasain’ireo nampiasa izany, hoy ihany ny Solombavam-bahoaka Randriamasimanana Aureline. “Nitondra manampahaizana manokana amin’ny fitsirihina ireny asa ireny mihitsy aho hoy izy tamin’ny fidinana ifotony nataoko ary io manam-pahaizana manokana io no nanamafy ny teti-bidin’ireo asa ireo izay tsy mifanaraka akory amin’ny vola izay tokony hampiasaina”.

Isan’ny efa naneho hevitra ihany koa ny Loholon’i Madagasikara Rabenony Andrinirina izay nanambara fa “tsy fotoana tokony hihinanana ny volam-bahoaka intsony izao fa aoka mba hampiasaina amin’ny lalana izay tokony hametrahana izany ary hitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka ny volam-panjakana. Tsy handefitra amin’ny zavatra tahaka izao izahay satria ny Loholona no mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ka tafiditra ao anatin’izany ny Kaominina. Rehefa mitaraina ny Ben’ny tanàna dia tsy maintsy mijery sy mikaro-bahaolana izahay”, hoy ity Loholona ity nampitandrina. Na ireo Ben’ny tanàna na ny Loholona na ny Solombavam-bahoaka dia samy nanambara fa tsy nisy nahafantatra ny fiandohan’ny asa ary tsy nahalala akory izany fa natao an-tsokosoko ny fanatanterahana ny lalam-barotra rehetra tamin’izany.

Ny tena nahagaga ny rehetra dia ny hoe tsy isan’ny nanao sonia ny Solom-bavam-bahoaka Andriamasimanana Aureline kanefa izy no Filoha mpiara-mitantana ao amin’ny C.L.D. Samy nilaza ny hikaroka ny marina mahakasika ity raharaha ity avokoa ny rehetra amin’izao fotoana izao.


Hariliva R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés