Webradio

BEFANDRIANA AVARATRA : Polisy roa lahy maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’ny fokonolona ireo Polisy roa lahy tany Ankatsakabary, 102 km miala ny Distrikan’i Befandriana Avaratra. 20 février 2017

Nidina tany an-toerana ny tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany naka ny razana tamin’ny helikôptera sy nanao fanadihadiana ny momba io vono olona io.

Vokatry ny fampiasan-kery sy fitakiana vola amin’ny tsy rariny no voalaza fa nanaovan’ny fokonolona fitsaram-bahoaka azy ireo, ny sabotsy teo. Tamin’ny 2 ora antoandro no nisehoan’izany tany an-toerana. “Namita iraka no anton-dian’izy roa lahy tao amin’io tanàna io. Hisambotra olona voarohirohy amin’ny raharaha zava-mahadomelina izy ireo.

Teny an-dalana anefa dia voalaza fa nifanena tamin’ny olona nitondra tantely tamin’ny « bidon » ry zareo. Notakiana taratasy io tantely ary nandà ilay tompony fa tsy ilaina taratasy ny fivarotana tantely. Nifandrirotra teo ny roa tonta ary nony farany dia nalainy an-keriny io tantely milanja 41 litatra io.

Niveri-dalana ny tompon’ilay tantely ary nitsoka kiririoka eran’ny tanàna fa noravan’ireo Polisy ireo”, hoy ny fitantaran’ny fokonolona ny antony nahatonga ny fitsaram-bahoaka tany an-toerana io.


Nanao tifi-danitra

Tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy dia nirohotra ny fokonolona tao amin’io tanàna io nanara-dia ireo Polisy ireo. Nanao tifi-danitra avy hatrany ireto farany mba hanaparitahana iro nanaraka azy.

Tsy nihemotra tamin’izany anefa ny fokonolona izay efa tena tezitra mafy ka tafalatsaka tao afoavoany ireo Polisy ka tsy tafavoaka intsony.
Tora-bato sesilany no nahazo azy ireo ary rehefa lavo tamin’ny tany dia notrobaran’ireo fokonolona tamin’ny antsy ary maty tsy tra-drano teo no ho eo. Nanamafy hatrany ireo fokonolona efa za-dratsy ny amin’ny fanorana izy ireo.

Ary manararaotra ny olona any ambanivohitra amin’ny fanaovana ramatahora ka mitaky vola, izay halatra bevava.

Nidina tany an-toerana ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga avy any amin’ny Faritra Sofia. Helikôptera no naka ny razana tany an-toerana. Misokatra ny fanadihadiana.


Willys F.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés