Webradio

TRANGA

NITSOAKA NY FONJAN’AMBALATAVOAHANGY : Jiolahy voaheloka mandrapahafaty maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy. Voafonja telo no nitsoaka ny fonjan’Ambalatavoahangy, ny alahady 12 marsa, tokony tamin’ny 4 ora tolakandro. 14 mars 2017

Nihanika tamboho izy ireo, ka ny iray no natao solon’ny tohatra. Tafaporitsaka teny ivelany tamboho voalohany ny roa raha mbola tavela teo akaikin’ilay tamboho kosa ny faharoa izay natao solon’ny tohatra, ka nosamborim-potsiny.

Rasamimanana Prosper, 27 taona ilay natao tohatra fiakarana. Vao tamin’ny 20 janoary lasa teo izy no naiditra vonjimaika tao Ambalatavoahangy noho ny raharaha fanafihana ka mbola miandry fitsarana izao izy nanita-tsaina nikasa handositra izao.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny Mpandraharaha ny fonja sy ny Kaomisaria foibe Bazarikely tamin’ny fanenjehana an’ireo voafonja nitsoaka.

Vokany, tsy lasa lavitra fa mbola teo akaikin’ny tambohon’ny fonja no lavon’ny bala i Maka Tsimileso, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Jaovelo, 26 taona. Ity farany izay iray amin’ireo voafonja telo lahy nandositra. Ny 15 oktobra 2014 no voatsara i Maka Tsimileso ary voaheloka hisazy mandrapahafy vokatry ny fanafihana mitam-piadiana sy fandratrana nataony tao amin-dry masera Notre-Dame, ny alahady 12 oktobra 2014.

Nifanenjehana hatreny Anjoma kosa ny fahatelon’ireo voafonja nandositra, dia
i Faliantsoa Jean Baptiste, 25 taona. Tratra ihany ity farany na dia niezaka nanao tongotra an-katoka aza. Ny 19 janoary lasa teo no naiditra vonjimaika tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy i Faliantsoa Jean Baptiste miandry ny fitsarana azy vokatry ny raharaha fikambanan-jiolahy saingy izao nikasa handositra izao sahady.
Ny antoandron’ny alatsinainy 13 marsa, nisy ny tafa ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Talem-paritry ny fandraharahana ny fonja eto Toamasina, Mahatama sy ny Lehiben’ny fonja Toamasina, Ralay Christian. Nandritra izany no nitondran’izy ireo fanazavana fa tsy vaky fonja velively no nisy tao Ambalatavoahangy ny andron’io alahady 12 marsa io fa voafonja nandositra.

Nanamafy ireto tompon’andraikitra ambony amin’ny fitantanana ny fonja sy ny voafonja eto Toamasina ireto fa tsy misy ahiana mihitsy ny fonjan’Ambalatavoahangy amin’izao fotoana izao. Efa voafehy tanteraka ny zava-nisy.

Notazonina atao fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny Polisy ireo voafonja roa lahy azo sambo-belona. Fandikan-dalàna mantsy ny fitsoahana ny fonja ka hiampy indray ny vesatra iampagana azy ireo eny anivon’ny Fitsarana ankoatra ireo raharaha hafa izay efa antony nitazonana vonjimaika azy ireo tao am-ponja. Eny amin’ny tranom-paty Hôpitalibe miandry ireo havany haka kosa ilay maty voatifitra.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés