Webradio

TANAMAKOA - TOAMASINA : Noraofin’ilay mpiasa an-trano ireo entana lafo vidy rehetra

Tsy tery lalana ny ratsy. Tovovavy iray sahabo 17 taona mpiasa an-trano tao amin’ny tokantrano iray tao Tanamakoa Toamasina no karohina fatratra amin’izao fotoana izao. 14 mars 2017

Vao herinandro monja no nidirany niasa tao amin’ilay tokantrano ao Tanamakoa.
Ny andron’ny alatsinainy 13 marsa teo, dia trano babangoana no nivantanan’ny renim-pianakaviana tompon-trano. Ity farany izay avy naka mpianatra. Raha ny fanazavana voaray, dia nakan’ilay mpiasa an-trano kalesa mihitsy ny fitaterana ireo entana sarobidy tao an-trano. Anisan’ny nalainy tamin’izany ny moto iray nipetraka tao an-trano, vata fampangatsiahana.

Nisy nahatazana azy mitatitra entana ny manodidina saingy tsy nieritreritra na inona na inona fa mety hoeh ifindra trano ireo mpampiasa azy.


Mila mitandrina ny rehetra

Misy amin’ireo tovovavy mitady asa an-trano no manana sain-dratsy. Tokony ho takiana mandrakariva ny kara-panondrom-pirenana ho an’ireo efa ampy taona miampy sary tapaka.


Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés