Webradio

FIOMANANA AMIN’NY FITAMPOHA : Hatao amin’ny 3 avrily izao ny "Kipa" na fanadiovana ny Doany Miarinarivo

Toy ny fanao isan-taona dia mitohy hatrany ny fanaovana Kipa na ny fanadiovana eny amin’ny Doany Miarinarivo Mahajanga, mialoha ny Fitampoha. 14 mars 2017

Fanadiovana ny ao anatiny sy ivelan’ny Doany no atao hoe kipa ary ireo taranaka mpanompo no manatanteraka azy io. Afaka mandray anjara amin’izany avokoa na ny olon-tsotra aza. Ireo razan’olona, olo-maventy, zanaka Mpanjaka, Saha, valala tsimandadiharona, zana-donaka, no isan’ireo ho hita hanao ny kipa ny 03 avrily izao eny amin’ny Doany Miarinarivo Tsararano ambony. Fomba fanao tsy maintsy atao izy io ary hisy ny fiarahana misakafo atao. Omby hatrany no vonoina amin’izany.

Ny Ampanjaka Rasoamady no hitarika ny fanadiovana ny kipa eny amin’ny Doany ary manantena ireo mpanompo ho tonga maro amin’ny fotoana nomena io ary hitondra ny fitaovana fampisana amin’ny fanadiovana. Ny sabotsy teo no nampahafantarina ny vahoaka ity ny andro hanatanterahana ny kipa ity.

Raha ny fahitana azy dia nahasarika olona maro ny kipa tamin’ny taon-dasa ka hatramin’ny vahiny avy any ivelany aza dia tonga nanatanteraka ny fanadiovana ny Doany.

Tolin

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés