Webradio

FANKALAZANA NY ANDRON’NY VEHIVAVY : Haresaka ny fety ao Ambilobe

Ny alakamisy izao no hanaovana ny valirombon’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, ao amin’ny Distrikan’Ambilobe. 14 mars 2017

Raha ny fandaharam-potoana dia azo antoka fa haresaka ireo hetsika ho karakarain’ny Fikambanam-behivavy eto an-toerana tarihin-‘i Vao Noellah, miaraka amin’ireo fikambanam-behivavy.

Toy ny mahazatra isan-taona misy ny filaharana mamakivaky ny tanàna, hatreny amin’ny Place verte. Hampiavaka ny fankalazana ny fankasitrahana ireo vehivavy mpilahatra tsara lamba fitafy.

Ny fifaninana mikabary sy fahalalana ankapobeny amin’ny Teny frantsay. Eo koa ny fiaraha-misakafo amin’ireo olona nasaina sy fanajana ireo Olobe ao an-toerana.
Ny amin’ny alakamisy hisy ny disco hataon’i Ninie Donia ao amin’ny Golden. Mikarakara alim-pandihizana hiavaka koa ny Lehiben’ny Distrika sy ireo vadina manampahefana eto Ambilobe ao amin’ny Amical Club. Taorian’ny fanafoanana ny 8 marsa tany Nosy Be, dia tsy ho diso fanantenana ny vehivavy amin’ny valirombon’ny 8 marsa ny eto Ambilobe.

Anthonia

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés