Webradio

ANDAVAMAMBA : Navoakan’ny Polisy tao anaty taksibe ny mpandeha rehetra

Niteraka fimenomenonana tamin’ireo mpandeha taksibe ny fihetsika nataona Polisy mpandrindra ny fifamoivoizana iray tetsy Andavamamba, afak’omaly maraina. Ireo mpandeha rehetra indray no nizaka ny hadalana nataon’ny mpamily. 16 mars 2017

Araka ny fantatra dia nanao fanamarinana ny taratasin’ny fiara toy ny fanaony isan’andro ity mpitandro filaminana. Voalaza ho nisy tsy fahatomombanana anefa teo amin’ireo an-tontan-taratasy. Nilaza ilay Polisy fa tsy maintsy hogiazany ny taratasin’ny fiara manoloana izany.

Tsy nanaiky izany hatramin’ny farany kosa anefa ilay mpamily ka raikitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Ireo mpandeha, efa maika sy tara hamonjy fianarana sy toeram-piasana no lasa sorona manoloana ny disadisa nisy teo amin’izy roa lahy.

Nambaran’ny mpandeha iray fa nidrikina hatramin’ny farany ilay mpamily, tezitra noho izany ilay Polisy, ka ireo mpandeha rehetra tao anatin’ny fiara no navoakany izay voalaza fa zavatra tsy tokony hataon’ny Polisy mpandrindra fifamoivoizana mihitsy izany. “Niteraka fahatezerana goavana teo amin’ireo mpandeha ireo zava-niseho io, nikasa ny hitroatra ihany izy ireo saingy noho ny hamehana dia samy nisakana izay fiara hafa malalaka afaka nitondra azy ireo”, hoy hatrany ny vaovao voaray.

Nisy tamin’ireo mpandeha no nanambara fa hanao fitarainana manoloana ny tsy fanajana ny zon’ny mpanjifa fiara fitateram-bahoaka tahaka izao.


Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés