Webradio

HETSIKA FARANY HERINANDRO : Maro ireo hetsika entina miala voly ka anjaranao no misafidy

6 mars 2017

JAO’S PUB AMBOHIPO

Ambiansy mafana miaraka amin’i Din Rotsaka
Mafotaka indray ny etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo anio hariva. Hiverina hiaka-tsehatra i Din Rotsaka raha fa elaela no tsy heno. « Cabaret » goavana, hitondra ireo hira efa nankafizana azy hatramin’izay i Din Rotsaka sy ny ekipany. Mampanantena ambiansy mafana be miaraka amin’ny salegy sy malesa ity mpanakanto ity. Anio manomboka amin’ny 9 ora alina ny fotoana ary tsy voafetra fa miankina amin’ny ambiansy ny fiafaran’ny lanonana.

ANALAKELY

Vaiavy Rivera « en live » etsy amin’ny Le Glacier
Ela niandrasana. Tonga hanome ambiansy miavaka ho an’ny mpankafy azy etsy amin’ny Le Glacier i Rivera, raha efa elaela tsy nahitana azy. Hihaona voalohany amin’ireo mpankafy azy eto an-drenivohitra izy, amin’ity taona ity. Hitondra ireo hira tena nahafantarana azy, toy ny « Fitiavana tsy nambolegny » miampy ireo vazo izay fampiaram-peon’izy sy Boushirany, ary ny vazo vaovao taona 2017, « Rivera talagnolo ». Anio manomboka amin’ny 8 ora alina ny fotoana, hisy ihany koa ny fahatongavan’ny mpanakanto tsy ampoizina hanampy azy amin’io alina io. Ambiansy tropikaly tanteraka no hanjaka amin’io.

BONARA-BE 67HA

Kawitry mafana hiarahana amin’i Viavy Chila

Vao sambany hanafana ao amin’ny toeram-pilanonana Bonara-Be chez Sa-yah, i Vaiavy Chila sy ny mpandihiny amin’ity taona ity. Sady sambany sehatra voalohany hataony eto andrenivohitra ihany koa. Anio alina, hanomboka amin’ny 9 ora, no hitondrany ny kawitry salegy izay efa nankafizany mpankafy azy hatramin’izay. Hafana tanteraka ny ambiansy amin’io fotoana io, ary tsy hifarana raha tsy maraina andro.

Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés