Webradio

TSIROANOMANDIDY : Vehivavy iray manodidina ny 38 taona maty nofaohin’ny fiara

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 38 taona no maty tsy tra-drano nofaohin’ny fiara tany Andranomadio, ao anatin’ny Kaominina Tsiroanomandidy-Fihaonana. 20 mars 2017

Nanapaka ny arabe ity niharan-doza, tsy afa-niala azy intsony ny mpamily ka teo no nahatonga ny fahavoazany.

Manodidina ny tamin’ny 10 ora maraina tany ho any no nisehoan’io loza io ny sabotsy teo. Fiara mpitatitra olona iray mampitohy an’Ambararatabe sy Tsiroanomadidy no nahavanon-doza. Araka ny nambaran’ireo mpandeha tao anatiny dia nandeha mafy ny mpamily, tafiditra tao anaty fiolahana ry zareo kanefa mbola tsy nampihena hafangainam-pandehany ihany ilay mpamily. 

Rehefa hivoaka ny fiolahana izy ireo no nisy vehivavy nanapaka ny arabe tampoka izay tsy nahita ny fisian’ilay fiara nipoitra tampoka. Ny mpamily ihany koa tsy nahatana ny tsindry hisatra intsony ka avy hatrany dia voadona mafy ilay renim pianakaviana. Goavana ny ratra nahazo azy, nokasaina hoentina any toeram-pitsaboana ihany kanefa efa tsy nisy aina intsony ilay vehivavy  no nitangoronan’ny olona teo. Nidina nijery ifotony ny zava-nitranga ny Zandary avy ao an-toerana. Noentina hanaovana fanadihadiana ilay mpamily, ny razana kosa efa natolotra ny fianakaviany.


Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés