Webradio

« FESTIVAL DES FRUITS DE MER » : Niavaka ny tolotra nomen’ ireo trano fisakafoanana

Ny zoma teo no natao ny fanokafana ny « Festival des fruits de mer », tao amin’ny trano fisakafoanana La Promenade, tetsy amin’ny Bord. Trano fisakafoanana valo no nandray anjara miaraka amin’ny tompon-trano, dia Thi-lan, Mafilotra, Ailleurs, Les Roches Rouges, Cocolodge, Chez Tranquille ary Le Guest. 18 avril 2017

Ny Préfet-n’i Mahajanga kosa no nanokatra ny fotoana niaraka tamin’ny Talem-paritry ny fizahantany sy ny Talem-paritry ny jono ary ireo tompon’andraikitra amin’ny fizahantany eto Boeny. Anisan’ny angady nananana ny hetsika ny Ofisimparitry ny fizahantany. Betsaka koa ireo mpandraharaha no nanohana ny hetsika ka anisan’izany ireo orinasa lehibe mpanjono.

Nomena maimaim-poana ny trano fisakafoanana ireo hazandranomasina isan-karazany. Raha efatra izy ireo no nandray anjara tamin’ny taon-dasa dia efa nahatratra valo kosa tamin’ity taona ity. «  Entanina hatrany ireo mpandray anjara mba hivelatra kokoa amin’ny taona manaraka  », hoy ny Talem-paritry ny jono. Ity farany izay nanome toky ny hifandresy lahatra amin’ireo orinasa lehibe mpanjono amin’ny hanomezana hazandrano- masina amin’ny vidiny mirary ireo trano fisakafoanana fa tsy misitraka izany vokatra eto izany akory ny ankamaroany mponina, araka ny filazany. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity sahady fa hifantoka amin’ny jono sy ny fitaizana hazandranomasina ny Foarabem-paritr’i Boeny amin’ity taona ity.

Niarahaba ny Ofisim-paritry ny fizahantany kosa ny Préfet amin’ny fahombiazan’ny hetsika sy ny 3P. Ny fandraisana andraikitra sy ny fanaovan-javatra no lehibe, hoy izy, fa tsy ny maro olo sy vitsy olo. Ny tanjona manaraka dia ny hampiditra ny fiaraha-miasa fahefatra (4P), izay tsy iza fa ny vahoaka.  Marihina fa tsy hifarana raha tsy amin’ny 22 avrily izao ity «  Festival des fruits de mer  » ity ka amin’ny vidiny mirary avokoa ny hazandranomasina amin’ireo trano fisakafoanana mandray anjara.


Tolin

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés