Webradio

TARANJA BASKET-BALL : Raikitra indray ny “Smatch-in” ho an’ireo sekoly ambony

Raikitra indray andiany fahenina amin’ny “smatch-in” amin’ity taona ity. Fifaninanana basket-ball natokana ho an’ireo sekoly ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana izy ireo. 19 avril 2017

Hanomboka ny 22 avrily ho avy izao ny fifaninanana ka mandritra ny sivy andro no hanatanterahana izany etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina.

Araka ny fanazavana noentin’ny mpikarakara dia tsy natokana ho an’ireo mpitia basket-ball ihany akory ny “smatch-in” fa natao ho an’ireo mpianatra rehetra mihitsy, ary isany tanjona ao anatin’ny hetsika ny hampiray ny mpianatra rehetra amin’ireo sekoly ambony ka amin’ny alalan’ny fifaninanana tahaka izao.

Tao anatin’ny dimy taona nifanesy izay no nisian’ity fifaninanana ity ary hatramin’izay dia fahombiazana hatrany no azon’ny mpikarakara. Amin’ity andiany fahenina manaraka ity kosa dia hiavaka ny lalao satria ankoatra ny basket-ball dia hisy ihany koa ny fisafidianana izay vehivavy tsara tarehy indrindra, hisy ihany koa ny fifaninanana mandihy ary ny fifaninana “jeux vidéo”, izay isan’ny zava-baovao tanteraka mbola nisy hatramin’izay.

Voalaza fa niampy efatra mihoatra noho ny hatramin’izay ireo sekoly ambony mpandray anjara amin’ity andiany fahenina ity. Hatrany amin’ny 25 ny isan’ireo sekoly hiatrika ny fifaninanana.


Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés