Webradio

PETY RAKOTONIAINA : “Tokony hampodiana an-tanindrazana i Claudine Razaimamonjy…”

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny filohan’ny antoko Tambatra. Nitondra ny heviny mikasika ny toe-draharaha misy ankehitriny sy ny momba an’i Claudine Razaimamonjy ny filohan’ity antoko ity. Nambaran’i Pety Rakotoniaina, fa ilaina ny fampodiana an-tanindrazana, an’i Claudine Razaimamonjy hanohizana ny fanadihadiana atao aminy.  21 avril 2017

Mbola misy raharaha efatra mantsy mbola hanenjehana ity mpandraharaha ity, ka takiana ny hanohizana ny fanadihadiana aminy. Nampirisika ny Bianco sy ny Sendikan’ny Mpitsara Malagasy na ny SMM ny antoko Tambatra, fa tsy hijanona antenantenany izany fanadihadiana izany ary tsy hisy ny fitanilana. 

Nambarany ihany koa fa  mijanona ho mpanohitra izy sy ny antoko tarihiny. Efa nilaza tany amboalohany ny antoko Tambatra, fa “tokony hosamborina ireo mpanao kolikoly avo lenta eto amin’ny Firenena”. “Tsy nisy nihaino ny antoko tamin’izany. Amin’izao fotoana izao anefa, hitam-poko hitam-pirenena ny zava-nisy, mikasika ny raharaha Claudine Razaimamonjy. Tsy handrenesam-peo kosa anefa ny fitondram-panjakana manoloana io raharaha io. Dikany, fitondra malemy, tsy mahavaha olana no misy ankehitriny”, hoy i Pety Rakotoniaina.

“Ny tsy fahaiza-mitantana no nampahantra ny vahoaka”

Firy ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny Firenena, milaza fa afaka mamaha ny olan’ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka malagasy ? Afaka miady amin’ny kolikoly sy ireo tsy matimanota eto amin’ny Firenena. Fanontaniana mipetraka, aiza ho aiza no misy ny fiainan-dTamalagasy ankehitriny ?. Araka ny tatitra navoakan’ny Pnud, dia mahatratra 92% ny fahantrana manjo ny Malagasy ankehitriny. Nambaran’i Pety Rakotoniaina anefa, fa ireo Mpitondra nifandimby na ny mpitondra Hvm ankehitriny dia anisan’ny nampahantra ny vahoaka malagasy. 

Tsy afaka mialà amin’izany izy ireo. Raha ny fanazavana nentin’ny filohan’ny antoko Tambatra ihany dia ny tsy fahaizana mitantana no mahatonga izany eto amin’ny Firenena ho latsaka an-katerena tahaka izao.“Milà mametraka ny rafitra eny ifotony izao Fitondrana izao, raha te hampandroso ny Firenena. Eo ny fanovana ny Lalàmpanorenena, ny fametrahana ny andraikitra eny amin’ny fitsinjaram-pahefana isan-tokony ary ny fisamborana ireo olobe manao kolikoly eto amin’ny Firenena, fa izany no mampahatonga ny fahantrana eto amintsika. Tsy misy mpitondra tena vonona sy sahy iady amin’izany eto”, hoy izy. “Tanteraho aloha ireo rafitra ireo vao miroso amin’ny fifidianana izay kasaina ny hatao amin’ny taona 2018 ho avy io”, hoy ny filohan’ny antoko Tambatra.

RaJean

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés