Webradio

FANANANTANY : Mbola marisarisa amin’ny famindrana tany ny mpandova eto Antsirabe

Tapitra amin’ny 30 jona 2017 ny fanoratana tany maimaim-poana, izay tsy mbola voasoratra ho an’ireo mpandova manerana ny Nosy. 21 avril 2017

Hatramin’izao anefa dia mbola marisarisa amin’ny fanaovana izany ny ankamaroan’ny olona. Raha araka ny fanazavan-dRakotondranaivo Claude, Talen’ny  Sampandraharahan’ny Fananantany Vakinakaratra eo anivon’ny birao ifoton’ny fananantany satria hatramin’ny taona 2016 no mankaty dia mbola 1 220 ihany ireo nahavita ny taratasiny ara-dalàna.

Distrika telo eto anatin’ny Faritra Vakinakaratra no iandraiketan’ny Talem-paritry ny Sampan-draharahan’ny Fananantany dia ny Distrikan’ Antsirabe voalohany sy faharoa, Distrikan’i Mandoto ary ny Distrikan’i Faratsiho. Raha araka ny antontan’isa anefa dia manodidina ny 32  800 eo ho eo ny isan’ny tany voasoratra ara-dalàna manerana ireo Distrika telo ireo. Araka ny fanazavana ihany dia anisan’ny sakana ho an’ny olona ny fahatahorana manatona biraom-panjakana fa ny tena olana goavana izay matetika mitranga ihany koa dia ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy ilaina eo amin’izay famindrana lova izay.

Takian’ny amin’ny mpandova mantsy ny taratasy milaza ny fahafatesan’ny tompon’ny tany, ny taratasy manambara fa fananany ny tany ary ny bokin’ny tany. Raha vao misy iray tsy feno amin’ireo antontan-taratasy ilaina ireo dia tsy ho voafindra amin’ny mpandova mihitsy ny tany raha ny fanazavana ihany. Ankoatra izay dia sakana ho an’ny olona ihany koa ny tsy fahalalana mikasika izay famindrana lova izay. Noho ireo antony ireo dia misy ny olona manararaotra ka maka vola amin’ireo taranaka mpandova ireo na dia maimaim-poana aza ny fanaovana izany.

Tokony hanararaotra haingana, araka izany, ny mpandova izay mikasa ny hamindra ny fananan’ny ray aman-dreniny amin’ny anarany. Vola be tsy toko tsy forohana mantsy no takiana amin’izy ireo raha vao tapitra eo ny fe-potoana farany ahafahany manao izany maimaim-poana.Ankoatra ny 10 000 Ariary alaina isaky ny mpandova sy ny tombam-bidin’ny tany alain’ny sampandraharahan’ny hetra izay manodidina ny 4% isaky ny hekitara dia mbola misy ihany koa ny vola aloha eny anivon’ny Birao ifoton’ny fananantany.

Nanentana ny mponina, araka izany, ny Talem-paritry ny fananantany eo anivon’ny sampandraharaha mikasika ny Birao ifotony ny fananantany eto Vakinakaratra fa tsy tokony hiandry ny fotoana farany ny taranaka maniry hamindra ny lovany amin’ny anarany.


Tiaray R

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés