Webradio

ASAN-DAHALO SY VONO OLONA : Lavo i Vilk nampihorohoro tany Amoron’i Mania

Afa-doza ireo mponina ao anatin’ny Faritra Amoron’i Mania. Ilay dahalo rain-dahiny isany tena nampitondra faisana ny mponina tany an-toerana no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, ny herinandro lasa teo iny. 16 mai 2017

Tao Fianarantsoa no nahatratrarana azy rehefa nifampikarohana hatry ny ela. Maro no efa lasibatra tamin’ny asa ratsy nataon’i Vilk sy ireo ekipa tarihany, voalaza ho mihantsy mpitandro filaminana mihitsy ny tenany rehefa misy ny fifandonana mitranga. Vono olona, halatr’omby sy doro trano no tena angadiny. Fantatra fa anisany tompon’antoka tamin’ny fitifirana, ka nahafaty ilay miaramila misalotra ny grady kaporaly tany Manandriana ity lehiben’ny dahalo ity.

Ankoatra ny fiaraha-miasa tamin’ny mponina nahazoana ny vaovao rehetra noentina nahafantarana ny toerana niafenan’ity olon-dratsy dia nanao ezaka tamin’ny fikarohana azy ihany koa ny mpitandro filaminana tany amin’iny Faritra iny. Nifanenjehana ka rehefa nikiry nitsoaka hatramin’ny farany dia voatifitra teo amin’ny lamosiny ity voatonona ho lehibe mpitarika dahalo ary isany nampihorohoro tany amin’iny Faritra Amoron’i Mania iny.

Velombolo ny mponina, antenain’izy ireo hampihena ny trangana tsy fandriam-pahalemana misy any an-toerana izao vokatra izao.

Avotra Isaorana}

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés