Webradio

ZAVA-MISY

KAOMISERA RAFALIARIVO JULES : « Mampitandrina ny mpisera ao amin’ny pejy facebook « Dossiers secrets mafana maloto » »

Efa ho volana maromaro izay dia nahazo vahana ilay pejy Facebook mitondra ny anarana « Dossiers secrets mafana maloto ». 18 mai 2017

Efa tafakatra 44 000 mahery ny mpikambana ao aminy. Fandrangitana adim-poko sy fanalam-baraka olona no mibahan-toerana ao anatiny.

« Samy lasibatra ao amin’ity pejy amin’ny tambajotra soasialy ity avokoa ny mpanakanto, mpanao politika, mpitandro filaminana. Anisany iharan’ny fanaratsiana tsy mitombina ao anatin’io pejy io koa ny tenako sy ny polisin’ny Fip Toamasina », hoy ny Kaomandàn’ny Fip Toamasina, Rafaliarivo Jules. « Maro koa ireo fitarainana tonga eto aminay momba io pejy facebook io ka tsy maintsy horaisinay ny andraikitra », hoy hatrany ny kaomisera mitondra fanazavana.

Ekena fa firenena mandala ny demokrasia i Madagasikara ary manaja ny fahalalana maneho hevitra saingy tsy azo ekana kosa ny fandrangitana adim-poko sy famafazana lainga tahaka ny ataon’io takelaka « Dossiers secrets mafana maloto » io. Dosie tsy mitombina, feno lainga sy fitaka be vava mampisavorovoro saim-bahoaka no aely ao, hoy hatrany ny lehiben’ny Fip Toamasina mampiseho ny tsy fankasitrahany an’io pejy io.

Mampitandrina ny olona namorona io pejy io sy izay mpitantana azy (administrateur) ary ireo rehetra mpikambana ao ny Kaomisera Rafaliarivo Jules mba hampitsahatra famafazana lainga. Efa mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana mikasika io pejy, hoy ny lehiben’ny Fip Toamasina.

« Akatony ny pejy rehefa tsy voafehy intsony ireo kaonty fako ( compte fake) », hoy izy namarana ny teniny.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés