Webradio

VONO OLONA - BRICKAVILLE : Fitsiriritana finday avo lenta namonoana vahiny tao an-trano

Niakatra Fitsarana ady heloka bevava tany Toamasina, ny talata 11 jolay lasa teo ny antontan-taratasin’ ady laharana 44-Toa/17, izay anenjehana an-dRazanadratovo Clément 40 taona sy Said Mamed 39 taona ary Jonathan Adolphe 43 taona. 14 juillet 2017

Izy telo lahy ireo izay samy mponina tao amin’ny Fokontany Seranantsara Kaominina Ambinaniniony Distrikan’ i Brickaville ary samy voampanga ho namono nahafaty an-dRandrianarimanga Fanomezantsoa Sylvain. Ity farany izay mpila ravinahitra avy any Fianarantsoa tonga andeha hikarama hamaky hazo tao Ambinaniniony, ny volana septambra 2016.

Araka ny famakiana ny antotan-taratasin’ ady, dia nivahiny tao antranon’ i Razanadratovo Clément i Sylvain. Taorian’ izay dia nividy toaka ny mpampiantrano ary niara-nisotro teo ny rehetra. Tsy hita popoka avy eo ilay vahiny. Herinandro taty aoriana, hita faty tao amin’ny renirano iray tao Senanantsara Randrianarimanga Fanomezantsoa Sylvain. Izy telo lahy no voarohirohy tamin’izao vono olona izao. Ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana azy ireo no nahalalana fa halatra finday avo lenta an’i Sylvain no nitarika izao famonoana izao. Taorian’ny fandinihana ny famoahana didy, dia nilatsaka ny sazy henjana ho azy telo.

Voaheloka hamita sazy fito taona asa an-terivozona ary dimy taona tsy mahazo manitsaka faritany avokoa izy telo lahy.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés