Webradio

PRAIMINISITRA MAHAFALY OLIVIER SOLONANDRASANA : Miaro ny sezany fatratra

Voatsikera mafy taorian’ny fidinana an-dalabe nataon’ny antoko Tim notarihin’ ingahy Ravalomanana Marc, ny sabotsy teo ny minisitry ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefana Solonandrasana Mahafaly Olivier sy ny minisitry ny Fitsarana noho ny tsy fandraisan’izy ireo andraikitra, ka nahatonga izay heverin’ny fitondrana ankehitriny ny asa fanakorontanana. 14 juillet 2017

Ankoatra izay mandeha ihany koa ny feo fa hanova ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ka anisany hoesorina amin’ny toerany ny Praiministra Solonandrasana Mahafaly Olivier. Tsy fantatra raha mitombona na tsia izany feo mandeha izany fa mailo kosa ity farany. 

Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao maro ny toe-javatra misy ankehitriny aloha lany hery ny fitondrana ankehitriny ary tsy nahavita ny asa nankinina aminy ny Governemanta izay tarihin’ingahy Solonandrasana Mahafaly Olivier. Eny fa na ireo mpiara-miasa akaiky amin’ity farany aza efa manahy ny mety hanaovan’ ingahy Hery Rajaonarimampianina azy «  fusible  » mba hahafahan’ity farany mandrebireby ny sain’ny vahoaka malagasy hatrany. Mihozohozo tokoa ve ny seza ipetrahan’ny Praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier  ? 

Tsy anjaranay mamaly an’izany fanotaniana izany. Fa ny azo antoka kosa dia tsy manamaivana ny tsikera mahazo azy ingahy Solonandrasana Mahafaly Olivier ary miaro mafy ny sezany ankehitriny. Mba hilazana fa miasa mafy ny lehilahy dia nanome baiko hentitra ohatra ny tenany nandritra ny filan-kevitry ny Governemanta farany teo mba hanasaziana mafy dia mafy izay olona mikasa ny hanakorontana amin’ny endriny samihafa. Izay ny fomba hitan’ingahy Praiminisitra hiarovana ny sezany fa tsy mampaninona azy ny ady tokony hatao amin’ny tsy fandriampahalemana izay miha mahazo vahana manerana ny Nosy. 

Na izany na tsy izany andrasan’ny mpanara-baovao maro ny fepetra horaisin’ny fitondrana ankehitriny manoloana izay voalazany fa fandikan-dalàna nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny sabotsy teo. Tsy Ravalomanana Marc irery ihany fa ny loholona Hvm Riana Randriamandavy VII ihany koa. Afa-tsy hoe natokana ho an’ny hafa ny lalàna e e e.


A.Lepêcheur


PRAIMINISITRA MAHAFALY OLIVIER SOLONANDRASANA
2017-07-15 11:06:51 par JF

Madio ary tsy misy heloka azo anenjehana ny filoha teo aloha Ravalomanana. Ny vahoaka no tonga maro na dia efa nampihorohoroana aza teny anivon’ny quartiers maro. Vita ny tao amin’ny Carlton dia naterin’ny vahoaka ho any antranony ny filoha teo aloha ka nihazo an’iny Analakely iny satria lalana mody e ! Tsy nisy korontana na fandravana zavatra ary tena mendri-piderana ny vahoaka rehetra tamin’ny 8 jloay lasa teo iny. Fandresena no azo lazana iny hetsika iny satria be dia be ireo nilaza hoe mpanohitra, sy mpiaro ny zon’ny vahoaka sns..... fa tsy mbola nisy olona mamim-bahoaka tahaka ity teto amin’ny firenena. Mazava fo, sahy, ary tena mandray andraikitra feno amin’ny zavatra rehetra tenenin’ny vavany i Ravalomanana. Tsy nisy tsikera natao ara-politika fa fankalazana ny faha 15 taonan’ny antoko fotsiny ary nampihavana ireo mpiara-dia taminy hatr’izay ! Avelao ny vahoaka hampiteny ny fony fa aza terena hiongana ny fitondranareo HVM !

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés