Webradio

ANTSIRANANA - AMBANJA : Nampanantenain’ny Filoha poak’aty ny mponina

Miandry vasoka. Fampanantenagna nataon’ny filoha ankehitriny ny hagnamboaragna ny lalagna mampitohy an’i Diego ziska Ambanja, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony tamin’izy vao hirotsaka ho Filoham-pirenena. 14 juillet 2017

Mbola nitohy hatrany izegny fampanantena izany tamin’ny fandalovany taty amin’ny tapany avaratry ny Nosy, roa volana lasa izay. Araka nambarany tamin’izegny fa handeha ny fanamboarana ny lalana afaka roa herignandra, kanefa hatramin’izao dia mbola tsy hita ihany ny fanoimbohana izany.

Miandry izany avokoa ny mpampiasa lalagna, mba hialagna amin’ny fijaliagna mahazo azy ireo amin’ny lalana mampitohy an’Ambanja amin’Antsiranana amin’izioty. Manaitry ny tompon’andraikitra voakasika, indrindra manao antso avo amin’ny Fanjakana foibe mba hagnatanteraka ny fampanantenagna izay efa natao ampahibemaso ny mponina. Ny lalagna 225 km tokony hatao ao agnatin’ny lera dimy fara fahaelany taloha teo dia vitaina agnatin’ny 8 ora be izao amin’izioty.


Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés