Webradio

FARITANY MAHAJANGA : Hivoaka ny sabotsy sy alahady izao ny valim-panadinana BEPC

Efa nivoaka ny valim-panadinana BEPC ho an’i Soalala sy Maintirano. Araka ny vaovao azo dia manodidina ny 30% eo ny taham-pahafahana tany Soalala ary mihoatra kely ny 40% ny an’i Maintirano.  14 juillet 2017

Anio kosa no andrasana ny valim-panadinana ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Ambatoboeny sy Marovoay. Ny sabotsy no heverina fa hivoaka ny an’i Mahajanga faharoa ary alahady farafahatarany hivoaka ny valim-panadinana eto Mahajanga voalohany.

Efa miezaka manao ny hamoahana azy ireo araka izay azo atao ny tompon’andraikitra isan-tokony ary ny alahady izao no fe-potoana farany ahazoana ny valim-panadinana rehetra. Manomboka ny alatsinainy izany dia efa hilamin-tsaina avokoa ireo nanao fanadinana na afaka na tsia ka afaka hiala sasatra am-pitoniana.


Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés