Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta dia natao ho andro fisaonam-pirenena, ny andron’ny alakamisy izao, ho fahatsiarovana farany an’ity mpanakanto nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara ity. Rahampitso no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny nofo mangatsiakany ary homem-
boninahitra etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina.
Eo ihany koa no hanomezam-boninahitra farany azy hataon’ireo mpanakanto namany, izay tsy afaka hanatrika ny fandevenana ny razana any an-tanindrazany.
Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny fianakaviany dia hoentina fiaramanidina hatrany ny vatana mangatsiakan’i Regis Gizavo mihazo an’i Toliara, ka tsy hisy araka izany ny fanomezam-boninahitra azy amin’ireo tanàna lalovana amin’ny lalam-
pirenena fahafito ho an’izay efa nikarakara izany, toy ny tao Fianarantsoa, Ihosy sy ireo Distrika maro hafa efa nanomana hetsika ho amin’izany. Fantatra fa mbola handrasana mandritra ny roa andro ao amin’ny lapan’ny Kolontsaina ao Toliara ny razana vao halevina.
Tsy ny zavakanto malagasy ihany no misaona amin’izao fahalasanan’ny andrarezin’ny fitendrena angorodao izao fa ny vahoaka malagasy iray manontolo, ka natao ho andro fisaonana, ny andron’ny alakamisy ho avy izao.
Avotra Isaorana