Webradio

GAZETY INO VAOVAO TOAMASINA : Feno iray taona katroka ilay gazetim-paritra voalohany

Tao anatin’izay herintaona izay, maro ny zavatra nosedraina, indrindra teo amin’ny fanantontosan’ny mpanao gazety ny asany. Asa masina tokoa no iantsorohan’ny mpanao gazety, hany ka, tsikera hatrany no asetrin’ny olona rehefa maha-tsiaro voatsindrona amin’ilay lahatsoratra avoaka. 8 juin 2010

Feno iray taona tokoa ny gazety “Ino vaovao Toamasina”, ilay gazetim-paritra mpiseho isan’andro voalohany eto Madagasikara.

Tao anatin’izay herintaona izay, maro ny zavatra nosedraina, indrindra teo amin’ny fanantontosan’ny mpanao gazety ny asany. Asa masina tokoa no iantsorohan’ny mpanao gazety, hany ka, tsikera hatrany no asetrin’ny olona rehefa maha-tsiaro voatsindrona amin’ilay lahatsoratra avoaka.

 Ankilany indray, lazaina ho mpanafosafo ny mpitondra, na miandany aminy ny mpanao gazety, rehefa mba mamoaka ny asa nataony mamaly ny tombotsoam-bahoaka. Na izany na tsy izany, tsy kivy izahay eto amin’ny “Ino-vaovao Toamasina”, manolotra ireo trangan-javatra miseho isan’andro, satria, izay liam-baovao no liam-pandrosoana.

Tsy hipasoka ny efa malama izahay raha hiteny androany, fa dia  : mpanao gazety tsara hofana sy matotra, ary manana traikefa no miasa amin’ity gazety ity, ka azo antoka tanteraka ny fakana ny loharanom-baovao marim-pototra sy voahadihady lalim-paka. Fehiny, vaovao marim-pototra, tsy miandany amin’ ny atsy na ny eroa no atosaka ho anareo mpamaky.

Anisan’ny nanamarika sy nahafantaran’ny maro ity gazety ity, dia ny vidiny izay natao “0 Ariary na Bôjo”, izany hoe, tsy vidiam-bola fa zaraina maimaim-poana, nanomboka ny fiandohan’ny volana Martsa 2010. Maro ny mametra-panon- taniana ny amin’izany, ka hitondrana fanazavana fohy eto androany.

 Mba ho fanomezana ny fahafaham-pon’ny olona, haharaka tsy tapaka ny vaovao no nahatonga ny tompon’andraikitra foibe nanao ny sarany ho “0 Ariary”. Eto am-pamaranana  : mankasitraka feno ho anareo mpamaky tsy mahafoy an’ity gazety ity izahay mpiara-miasa rehetra, ary mirary ny hatratrarantsika ny tsingerintaona vaovao manaraka.

Tsy havela handalo ihany anefa ity tsingerin-taona voalohany ity, fa dia hametraka fahatsiarovana ho anareo mpamaky, amin’ny alalan’ny fanomezana anareo ireo sarin’ny mpiara-miasa rehetra, mitoto ka mahafotsy ny asa isan’andro.

RAVO

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés