Webradio

ZAVA-MISY

RAHARAHA TSIANDOPY JACKY : Tonga maro ny vahoaka nitsena ny nofo mangatsiakany

Tonga taty Antsiranana ny harivan’ny sabotsy 5 aogositra teo ny nofo mangatsiakan’ny tompokolahy Tsiandopy Jacky Mahafaly.Nifanindry tanteraka tamin’ny fahatongavan’ny praiminisitra taty an-toeragna ihany koa izany. 7 août 2017

Nizarazara araka izegny ny ologno nitsena ny razagna sy ny lehiben’ny governemanta.

Notsenaina tagny alohan-dalagna tegny amin’ny sampanan-dalana mankany Joffre Ville ireo fiara nitondra ny nofo mangatsiakan-dratompolahy sy ny fianakaviany.Tonga maro be ireo namana sy tapaka nagnotrogno izany, nahitagna ireo mpiara-miasa avy aty Antsiranana. Maro ireo fiara nanesy ny razagna, izay avy hatrany dia nentina tagny amin’ny tragnony tao Ambalavola. Na dia efa rakotra aizina aza ny andro dia tsy tambagna tamin’ny rehetra nagnotrogno vory maro tamin’izany. Minitra vitsivitsy ny nagnampidiragna ny razagna tao an-tragnony dia nentina nanaovagna veloma farany tagny amin’ny oniversite Antsiranana rehefa avy eo. Nifanjohizohy nagnaraka hatrany ireo fiara maro be, izay hita fa naneho tsy fankafoizagna azy.

Efa napetrapetraka ny fandaharam-potoagna tamin’izao fahatongavan’ny razagna taty Antsiranana izao. Raha rango tamin’ny 4 ora folakandro no novinavinaigny ny nahatongavagna tegny amin’ny oniversite, dia efa tagny amin’ny 7 ora aligny teo ho eo no nanomboka ny lagnonana. Naneho ny fiaraha-miory tamin’ny fianakaviagna, ireo mpiara-miasa tamin-dratompokolahy natrehin’ireo mpianatra, izay notarihan’ny filohan’ny oniversite Ramatoa Manorohanta Cecile.

Amin’ny fomba malagasy dia nisy araka izegny ny fanoloragna ny famafagna ranomaso ny velogno natolotra ny fianakaviagna niatrika teo. Tsy nadignan’ireo mpiara-miasa akaiky azy ny asa tsara vitany tao agnatin’ity oniversite ity. Taorian’ny lagnonana natao dia nentina nitety tao amin’ny faritran’ity anjerimanontolo ity ny razagna. Nizotra nankeny amin’ny kianja mitafo rehefa avy eo, izay toeragna voahomagna hiaretan-tory ny razagna mandritra ny aroe andra aty Antsiranana. Tamin’ny fahatongavan’ny razagna ny sabotsy io dia mbola tsy tazagna tegny ny vady navelany, fa mbola nitsena ny zanakavavin’izy ireo avy agny an-dafy araka ny vaovao voaray. Izay fantatra fa tonga ny alahady 6 aogositra.


Tsy nampiova ny anton-dian’ny Praiminisitra

Araka ny fandaharam-potoagna voaray hatrany dia fantatra fa hiala eto Antsiranana ny alatsinainy 7 aogositra ny razagna ary hoentina agny Vohémar amin’ny toeragna misy ny fasan-drazany. Tsy nampiova ny anton-dian’ny praiminisitra ny fahatongavan’ity nofo mangatsiakan-dratompolahy Tsiandopy Jacky ity izao, na dia fantatra aza fa agnisan’ny olomanga nahavita be teto amin’ny firenena izy.

Ny fagnatanterahina ny "séance de travail" tao amin’ny grand hotel avy hatrany no nataony ny harivan’ny sabotsy io ihany. Na teo aza anefa izegny antondian’ny praiminisitra izegny dia maro ny mpiasa avy amin’ny ministeran’ny asa vaventy tonga nagnome voninahitra farany ny nofo mangatsiakan’ity olom-
panjakana ity.

Tsy nahatazagnana mpanao gazety maro koa tegny an-toerana mba haka ireo sary mba hanehoagna ny fanomezam-boninahitra ny maty tao amin’ny oniversite tamin’ny fahitalavitra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Mazava araka izegny ny antony fa ny fifanindriam-potoagna aroe samihafa izay heverina ho nahatonga izegny. Araka ny fantatra hatrany dia agnisany anton-dian’ny praiminisitra taty Antsiranana ny lagnonam-panakatonana ny JMJ taty an-toeragna ka niatrika ireo kristianina katolika marobe izy ny alahady 6 aogositra teo. Nampangoraka ny vahoakan’Antsiranana ny fahalasana tampoka an-dratompokolahy Tsiandopy Jacky Mahafaly ity, ka mahatsiaro fa very olomanga izay sady raiamandreny ireo mponina.

Tsiahivina fa tamin’ny fomba feno habibiana no nahafaty azy, aryv fantatra fa efa voasambotra tao Nosy-Be ilay nahavanon-doza. Manantena ny hisian’ny fanadihadihana lalina manoloagna izegny ny tsirairay. Na dia fantatra aza fa fianakaviana akaiky azy no nahavanona ny loza dia mbola mipetraka an-tsain’ny maro ny mety hisian’ny ambadika tamin’izao famonoagna ity tompon’andraiki-panjakana misahana ny asa ambony ity izao. Ho fantatra mian-dalana eo izay mety ho tohiny. Izahay ato amin’ny gazety "Ino Vaova faritra" dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian-dratompokolahy Tsiandopy Jacky Mahafaly.

Voasambotra tany Nosy-be ilay taizan’i Tsiandopy Jacky ahiana ho nahavanon-doza

Dimy andro taorian’ny famonoana an’ny inspekteram-panjakana Tsiandopy Jacky dia tra-tehaky ny Polisy tao amin’ny kianjan’Ambodivoanio teo am-pijerevana ny festival Somarôho any Nosy Be, ny sabotsy teo tokony tamin’ny 2 ora maraina i Solomanjary Francesco, izay ahiahiana ho namono an’Itompokolahy. Eo amin’ny 20 taona ity tovolahy izay ahiahiana ho nahavanon-doza ity. Ary anisan’ireo zaza notaizain’Itompokolahy Tsiandopy Jacky. Izany hoe fianakaviana akaiky an’ity farany ihany ity nahavanon-doza. Araka ny loharanom-baovao voaray dia nilaza i Solomanjary Francesco tamin’izy voasambotry ny Polisy fa tsy izy irery no nahavanon-doza fa nisy namana niaraka taminy. Fotoana fohy taorian’ny nisamborana azy dia naneho fihetsika hafahafa i Solomanjary Francesco. Nohosorany maloto ny vatany manontolo mba hilazana angamba fa very saina na lasa adala tampoka izy. Marihina fa vehivavy iray niaraka tamin’i Solomanjary Francesco no niantso ny mpitandro filaminana, ka nahafahana nisambotra azy.

Nalefa aty Antananarivo

Ny Zandary no mandray an-tanana ny fanadihadiana ny raharaha. Araka ny loharanom-baovao niala an’i Nosy Be, tamin’ny sabotsy tolakandro ihany miaraka amin’ny Zandary i Solamanjary Francesco. Inona no tena antony namonoan’ity farany an’Itompokolahy Tsiandopy Jacky ? Andrasana ny vokatry ny famotorana ataon’ny Zandary.

Raha tsiahivina dia ny alin’ny alahady 30 jolay hifoha ny alatsinainy 31 jolay no nisy namono tao an-trano fonenany teny Ivato ity minisitry ny Asam-panjakana teo aloha ity. Halevina eny amin’ny fasan-drazany eny Vohemar Itompokolahy Tsiandopy Jacky ary miainga anio ao Antsiranana ny nofo mangatsiakany.

Mpanjono sy A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés