Webradio

LOZA TANY ANKAZOBE : Tsy tonga any amin’ireo niharam-boina vola nampanantena

Manoloana ny lozam-piarakodia niseho tany Ankazobe, ny alatsinainy alina lasa teo dia voamarina fa olona miisa 2O no tena namoy ny ainy rehefa natao ny fanadihadiana tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. 7 août 2017

Mpandeha maro no avotra soa aman-tsara saingy mila fitsaboana tanteraka izy ireo noho ny ratra nahazo azy ireo vokatry ny loza. Manoloana izany dia nampanantena ny Filoha Hery Rajaonarimampianina fa horaisina an-tanana sy hiantohana avokoa ny fitsaboana ireo olona naratra sy fikarakaraka ny fandevenana ireo nindaosin’ny fahafatesana.

Tsy manamarina izany anefa ny zava-miseho, raha ny fitarainana voaray tany Soavinandrina. Misedra olana tanteraka noho izany ireo fianakaviana niharam-boina. Raha nidina ifotony àry ny solontenan’ireo mpanao gazety nijery ny zava-misy marina dia betsaka ireo fianakaviana mitaraina fa tsy nahazo izany vola izany akory ireo manan-kavana tra-boina.

« Na nisy aza, hoy izy ireo, ny nahazo ilay fanampiana dia toa olona vitsy ihany izany ». Fanamarihana noentin’izy ireo koa ny tsy dia firaharahana ireo naratra tao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona na HJRA.

Tsy zarizary sy nikorontana ny fomba fanaraha-maso azy ireo, ka vao mainka nanampy trotraka ireo narary ny fomba fandraisana tamin’io fotoana io.
Raha tsiahivina dia vola mitentina telo hetsy sy enina hetsy Ariary no fanampiana tokony ho azon’ireo maratra sy ireo havan’ny maty, raha ny noresahin’ny Filoham-
pirenena. Hatreto aloha dia mipetraka ny fanontanian’ireo mpanara-baovao sy ireo mponina tao Soavinandriana hoe « iza marina no miandraikitra ny fizaràna ilay vola ? ». Nanamafy ny fangatahany ireo velon’aina amin’ny mba hanomezana izany anjara vola nampanantenain’ny mpitondra satria betsaka ireo sahirana tanteraka noho ny tsy fahampiana.

Nanao fijoroana vavolombelona ireto olona vitsivitsy ireto, ka maneho ny alahelony fatratra.Ireo tra-doza monina ao amin’ny Fokontanin’Ambatombositra

Rehefa natao ny famotorana ireo velon’aina ireo tamin’ny fotoana nidinanay ifotony dia fantatra fa miisa 17 ireo fianakaviana saika hamonjy io zaikabe io tao anatin’ity Fokontany ity. Noho ny loza niseho anefa dia indray namoy ny ainy avokoa ny efatra tamin’izy ireo. Ny ambiny kosa dia samy naratra mafy daholo. Misy ireo tapa-tongotra, misy ireo tapa-tanana ka azo lazaina fa nisedra ny mafy tanteraka ireto fianakaviana ireto. Marihina fa zanak’olona mpianadahy izy ireo. Isan’ireo namboraka ny alahelony ity renim-pianakaviana iray antsoina ho Niriantsoa ity satria sady namoy ny vadiny izy no namoy ny zanany vavimatoany.

Mitanondrika mafy ny tenany tamin’ny fotoana niresahana taminy ary nanome tsiny ihany koa ny amin’ny fampanantenana poak’aty ataon’ireo mpitondra fanjakana noho ny tsy naharaisany ny vola fanampiana rehetra tokony ho sahaza azy. Raha ny zava-misy aloha hatreto dia ity ramatoa ity irery ihany no nahazo ilay vola fanampiana, tamin’ireo ankohonany namoy ny ainy sy naratra. Ireo havany niharam-boina hafa mahatratra 17 kosa dia tsy naharay izany na ariary aza. Raha tena nampiharina tokoa ilay toky nataon’ny Filoha dia samy tokony hahazo ilay vola fanampiana avokoa izy rehetra ireo.

Ny mahatalanjona azy ireo anefa dia toa fandrirarina be vao azo aza ilay vola mitentina telo hetsy ariary nomena azy. Mba niezaka niady ho an’ny zanany lahy ihany koa ilay renim-pianakaviana mba hahazo ny vola fitsaboana saingy tsy nahitam-bokany fa dia nody maina izy ireo. Na ny fanafody nampanantenaina aza dia toa tsy hita tamin’ny fotoana nitsaboana fa ireo efa mahazatra toy “paracetamol” sy ny “Doliprane” ary ireo antibiotika efa mahazatra isan’andro no nozaraina betsaka tamin’ireto niharan-doza.
Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana hatrany i Niriantsoa raha toa ka mba hisy fitsinjovana ireo madinika ihany satria dia tsy fidiny ho azy ireo ny ho voan’izao loza toy izao.

Tovovavy naratra mafy sady namoy ny anadahiny tao amin’ny Fokontany Soavinandriana Ambony

Naneho ny heviny ihany koa i Sarobidy Mamisoa mpiandraikitra ireo tily Lovitao nanoloana ny loza, ka nilaza fa nahazo ilay fanampiana ihany ny tenany saingy ilay zandriny lahy maty may kila forehitra dia mbola tsy nahazo ilay fanampiana. Mbola miandry izany ihany koa izy ireo ary mbola manantena ny fandraisan’andraikitry ny Fanjakana amin’ny fampanantenana izay nataony. « Mangidy tokoa izany hoe nilaozana olona akaiky izany fa tsy maintsy mionona ny saina », hoy ity tovovavy ity. Marihina fa mbola manaraka fitsaboana ny tenany fa nalefa nody aloha ka miandry ny fampiantsoan’ireo mpitsabo indray vao miverina .


Niray hina nisaona ny vahoaka tao Soavinandriana

Ny talata lasa teo dia tonga tao an-tampon-tanàna daholo ireo razana rehetra. Niray hina tsy nivarotra ny manodidina nandritra ny fahatongavan’ireo vatana mangatsiaka. Alahelo tanteraka no nisoritra teny amin’ny endriky ny iray tanàna satria mbola tsy nisy toe-javatra tahaka izao nitranga teo amin’izy ireo. Noho ny tsy fahatongavan’ny fanampian’ny mpitondra dia niezaka nanao hetsika tolo-tanana ny iray tanàna, izay notarihin’ny Lehiben’ny Distrika Raherimandimby Jacob. Tamin’izany fotoana izany no nahazo vola roa tapitrisa Ariary, ny andro talata ary 310.400 Ariary ny voaangona, ny alarobia. Nozaraina tamin’ireo tra-boina avokoa izany, raha ny tatitra voaray hatrany. Nanangana “cellule de crise” araka izany ny tao amin’ny Fiangonana FJKM Hermona vaovao, ka ireo no niandraikitra sy mizara ireo vola ho an’ireto tra-doza. Raha ny voalaza mantsy dia tsy manana akanjo sy kojakoja intsony ireo olona avotra soa aman-tsara tamin’ny loza satria tapitra levon’ny afo avokoa izany. Izany hoe ny fitafiana teny an-koditra sisa no misy noho ny saika hitondrana ireo lamba ireo any Mahajanga. Mbola mitohy hatrany hatreto io hetsika tolo-tanana io ao an-toerana.

Naneho ny heviny i Laza Mpitandrina ao amin’ny fiangonana niharam-boina

Tamin’ny fotoana nitafàna tamin’ity mpitandrina ity dia nanambara ny tenany fa dia niisa 68 ireo mpikambana tao amin’ny Sampana tanora kristianina no nandeha tamin’io fiara io ary 35 kosa ireo sampana tily. Nohamafisiny fa izay ihany no niainga avy tao an-toerana saingy rehefa teny an-dalana dia nanampy olona hatrany ny mpamily. Marihina anefa fa somary maro ny entana noentina izay sakafo mandritra ny 10 andro. Mety ho izany ihany koa, hoy izy, ny antony mety ho nahatonga ny loza satria navesatra loatra ilay fiara. Etsy andaniny ny fahasimbana nahazo ilay fiara teny an-dalana nanomboka teny amin’ny lalana atao hoe Fonenana. Raha ny voalaza dia teo amin’io tanàna io izy ireo dia efa nanomboka vaky kodiarana sy nahitana tsy fahatomombanana hafa tamin’ny fiara.

Na izany aza anefa dia tsy nihemotra fa niroso hatrany ny dia ka teny Ankazobe vao nitranga ilay hoe ”tsy fahatafidirana vitesse. Niafara tamin’ny fivadihana izany nitarika ny firehetana izany ary nandratrana olona maro sy namoizana aina mihitsy. Nisy zaza vao fito volana hatramin’ny olona 57 taona ireo namoy ny ainy tamin’iny loza iny.
Niezaka tsy naneho ny heviny ity mpitandrina ity mikasika ny vola nomen’ny Fanjakana fa amin’ny maha lehibe azy amin’ny Fitandremana entiny dia tsy maintsy mandray andraikitra hentitra izy ireo hikarakara ireo mpino izay mba vitan’ny fiangonana. Manampy izany ny fanampiana voaangona tao an-tanàna. Raha ny mikasika ny mpamily indray, hoy ity Mpitandrina ity, dia safidy sy fandaminana tao am-piangonana no nahatonga io mpamily io nitondra ireo olona maro ireo.

Andrasana hatreto izay famakafakana tsara ny zava-misy satria dia mbola mitsabo tena ao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona ny tenany ankehitriny, miaraka amin’ireo vady aman-janany ihany koa.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés