Webradio

ADY AMIN’NY KOLIKOLY : Mpiasa 33 isa teny amin’ny fitsirihana fiara nafindra toerana

Taorian’ilay lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nahafatesan’olona 23 isa teny Ankazobe dia miezaka manarina ny lesoka rehetra ao aminy ny tompon’ andraikitra eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny fitsirihana ny fiara na «  visite technique  » etsy Alarobia.  8 août 2017

Fantatra fa mpiasa miisa 33 teny Alarobia no voatery nafindra toerana. Tafiditra indrindra ao anatin’ny ady atao amin’ny kolikoly ny famindran-toerana an’ireto mpiasa ireto, sy hisorohana ny fiverenan’ny loza amoizana aina tahaka ireny. Tsy maintsy solosoloina ihany koa ireo mpiasa mandray an-tanana ny fitsirihana ny fiara mba hialana amin’ny mety fifankahazoana be eo amin’ilay mpiasa sy ny tompon’ny fiara izay ahiana hiafara amin’ny kolikoly. 

Efa nisy tamin’ireo mpiasa no voalaza fa tra-tehaka ambodiomby nanao kolikoly izay avy hatrany dia niharan’ny sazy.

Manoloana izay ady hatao mba tsy hiverenan’ny lozam-pifamopivoizana eny amin’ny lalam-pirenena izay ihany dia namoaka fepetra ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana izay nanambara fa ireo fiara rehetra mikasa hanao «  special  » dia tsy maintsy maka taratatsy fahazoan-dalana any fikambanana misahana ny fitanterana an-tanety «  ATT  » aloha, ao anatin’izay no hanaovana tsara ny fanamarinana ny lafiny ara-teknikan’ilay fiara mba hisorohana amin’ny mety loza miseho. Ireo fiara afaka mitondra olona mihoatra ny sivy sy handeha 40km miala an’Antananarivo no voakasik’izany.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés