Webradio

TANAMBE MANANARA-AVARATRA : Arenina ny Hopitaly, nitondra anjara biriky ny Faritra Analanjirofo

Asiam-panavaozana amin’izao fotoana izao ny Hopitaly ao amin’ny Kaominina Tanambe distrikan’i Mananara-Avaratra.  11 août 2017

Vokatry ny fahanterana, dia efa ahitana fahasimbana maro ity toeram-pitsaboana ity. Manoloana izany indrindra, nitondra anjara biriky amin’ny asa fanarenana ny Faritra Analanjirofo.

 Natolotra ny Ben’ny tanànan’i Tanambe Mananara-Avaratra izay mandalo ao Fenoarivo-Atsinanana ny 4 aogositra lasa teo ireo fanampiana avy amin’ny fiadidiana ny faritra. Tafo fanitso miisa 40 no natolotra tamin’izany.

Nandritra io fanomezana fanampiana ny kaominina Tanambe io koa no nanoloran’ny fiadidiana ny faritra Analanjirofo simenitra 5 lasaka ho an’ny fokontany Tanambao I kaominina Ampasina-Maningory distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana. Simenitra ho fanatsarana ny biraom-pokontany ao an-toerana.


Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés