Webradio

TAO ANATY MARIAZY : Nataony sahala amin’ny vadiny ilay tovovavy nangalarany ilay sakaosy

Tsy tery lalana tokoa ny ratsy ka mahita fomba hangalarana amin’ny fotoan-drehetra. Ny sabotsy 2 septambra lasa teo, tovovavy iray indray no lasibatra. 11 septembre 2017

Namonjy lanonana fisoratam-panambadiana natao tao amin’ny efitrano malalaka Stella Maris Toamasina ilay tovovavy. Nisy lehilahy nanatona sy niray latabatra taminy. Tsy nanana ahiahy ilay tovovavy fa noheveriny fa samy fianakaviana iray mamonjy lanonana. Niara-nandihy, niara-nisotro. Nisy fotoana nivoaka kely ny efitrano misy lanonana ilay tovovavy. Nohararaotin’ilay olon-dratsy izany. Noraofiny ny sakaosy nipetraka teo ambony latabatra.

Tsy nahalala na inona na inona ireo nahita maso izay nihevitra fa vadin’ilay tovovavy izy. Niverina avy any ilay tovovavy, tsy hita popoka intsony ilay sakaosy. Natao ny fanarahan-dia saingy tsy hita intsony ilay jiolahy. Vola 100 000 Ariary, finday, karatra banky, karapanondro, samy tany anatin’ilay sakaosy avokoa.


Tsy nahazo fanasana akory

Natao ny fanamarinana rehetra, tsy anisany nahazo fanasana tamin’ilay fety akory ilay tovolahy ary tsy nanana fianakaviana tao mihitsy saingy nahita hirika nidirana nanaovana asa ratsy tao. Nametraka fitoriana any amin’ny polisy ilay tovovavy. Vavolombelona maro no miara-mitory aminy.

Nisy mpaka sary tao anatin’ilay lanonana nahazo ny sariny. Miparitaka ao Toamasina ny sariny amin’izao fotoana izao. Mitohy ny fikarohana. Fantatra fa efa fanaon’ilay tovolahy anaty lanonana io fomba fangalarana hafa kely io.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés