Webradio

ANIVORANO AVARATRA FESTIVAL VAGNONO ANDIANY FAHA-17 : Efa vonona ny fikarakarana rehetra

Manana ny hetsika ara-kolontsaina izay mampiavaka azy sahala amin’ny distrika hafa ato amin’ny faritra Diana ihany koa ny distrikan’Antsiranana II. 11 septembre 2017

"Festival Vagnono" izay tanterahigny mandritra ny fanjava septambra no hankalazaigny isan-taogno ao Anivorano Avaratra renivohitry Diego II.

Tanterahigny agnatin’ny telo andro izegny, izay nanomboka ny zoma 8 septambra lasa teo ary mifaragna ny alahady 10 septambra. Ny lehiben’ny distrikan’i Diego II no nanokatra ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy, izay notronin’ireo olom-boafidy niaraka tamin’ny olo-manan-kaja isan-tsokajiny. Efa 17 taogno tamin’ity 2017 ity no nisian’ny festival vagnono tao Anivorano avaratra, izay hita fa mahasarika ireo avy ao agnatin’ny kaominina ambanivohitra manodidina sy ireo avy amin’ny toeran-kafa ihany koa. Vagnonaigny, vagnonkariagna" izegny no slogan namiagna ity hetsika ara-kolotsaigny ao Anivorano ity.

Ankoatra ny fampisehoagna an-tsehatra nifandimbiasan’ireo mpanakanto, ny lalao aram-panatanjahantegna, ny moraingy dia tsy latsa-danja ihany koa ny fanasongadinana ireo harena mampiavaka ny ao Anivorano avaratra toy ny vary magnitry sy ny hafa ary ny resaka fiompiana.

Mandritra ny hetsika dia tsy natao ambanin-javatra ny fagnanaovagna joro fangataham-pitahiana tao Antagnavo isaky ny hetsika ara-kolotsaina Vagnono ity. Raha tsiahivina dia toeragna araiky izay mampalaza ny ao Anivorano avaratra sady manana ny tantarany manokana ny ao Antagnavo. Farihy iray izay itoeran’ireo voay ary tsy vitsy izay manao voady, ka ny aomby no matetika amin’izany ka ny nofony no ampihinanana ireo voay.

Raha impodiana ny resaka fiompiana sy fambolena izay asongadina mandritra ny hetsika ity dia ny hampiroboroboana izegny no fanirian’ireo tantsaha ary ny mba hisian’ny fanampiagna, fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana, mba hahafahan’izy irreo hampivoatra amin’ny fampiroboroboana izany.

Nilamina sady nizotra tamim-pilaminana ny hetsika ara-kolotsaina Vagnono tao Anivorano avaratra ity ary tsy mitsahatra amin’ny fanatsarana izany isan-taogno ireo mpikarakara izany.

Mandritra ny hetsika tahaka izegny dia tsikaritra ny fisehosehoan’ireo mpanao politika, tsy mitsahatra amin’ny fagnamezagna fampanantenagna.

Singanina manokagna raha ny tao Anivorano avaratra ny mahakasika ny fambolena sy fiompiana izay nodradradraigny fa ezahin’ny fitondram-panjakana itondrana fampivoaragna sy fagnampiagna ny tantsaha izegny.


Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés