Webradio

ASA TANANA ETO TOAMASINA : Nahazo fiofanana momba ny Kaizen japoney

Nampiofana ireo mpikambana ao aminy sy ireo hafa liana miisa 35 tamin’ny fomba japoney antsoina hoe “Kaizen” na ny “S. dimy” ny ivon-toeran’ny mpanao asa tanana ao Toamasina manana ny foibeny ao Tanambao III bazary kely Toamasina.  11 septembre 2017

Nandritra ny efatr’andro no nanaovana ity fanofanana ity, izay nataon’i Chryjosphar H. Zafilaza, izay mpiara-miasa amin’ny departemantan’ny toe-karena sy ny lalàna ary ny fitantanana eny anivon’ny oniversiten’i Toamasina.

Raha ny fanazavana dia mety tsara amin’ny fomba malagasy ity fomba ity izay misy dingana dimy no tsy maintsy arahina amin’ny fampiharana ny “Kaizen” amin’ny asa aman-draharaha sy amin’ny fiainana andavanandro ataon’ny mpampihatra azy, dia ny “Seiri” na “sivanina ny ratsy”, ny “Seiton” na “sokajiana ny tsara”, ny “Seiso” na “savaina sy diovina”, ny “Seiketsu” na “sorohina an-tsoratra”, ary ny “Shitsuku” na “sandaina ny vokatra vita”. 

Ho an’ny talem-paritry ny asa tanana Atsinanana, Ralahy Fabienne, dia hampivoatra ny kalitaon’ny asa tanana sy hisy vokatsoa azon’ny mpanao izany izao fanofanana izao. Ny talen’ny ivo-toeran’ny mpanao asa tanana Toamasina, Rakotoarivony Hudoline kosa dia nanamarika fa dingana voalohany izao natao izao. Taorian’ny fiofanana dia nisy ny fanolorana mari-pandraisana anjara ho azy 35 mianadahy.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés