Webradio

TENISY « OPEN INTERNATIONAL » : Nahemotra ho amin’ny manaraka ny fifaninanana

Noho ny savorovoro miantraika amin’ny sosialim-bahoaka ankehitriny dia tsy maintsy nandray fepetra ireo mpikarakara ilay lalao fifaninanana « open international Bmoi/France » fa tsy maintsy hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny lalao. 6 octobre 2017

Ny Country Club Ilafy no mikarakara ity fifaninanana eo amin’ny taranja tenisy ity hatramin’izay, ary ny andiany fahadimy, izay hotanterahina no tsy maintsy nahemotra.

Araka ny fanazavana noentin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Country Club, Rakotonindriana Josoa dia « mifandraika indrindra amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny teo anivon’ny governemanta amin’ny tsy tokony hanaovana fifaninanana ara-panatanjahantena no anton’izao nanemorana ny lalao izao. Ny
9 oktobra ka hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao no saika hanatanteraka io lalao io teto Madagasikara.

Ny sabotsy sy alahady ho avy no saika hanaovana ny lalao fifantenana kanefa, noho ny antony izay voalaza etsy ambony dia tsy maintsy ahemotra izany. Nambaran’ny mpikarakara hatrany fa rehefa misokatra ny baiko avy amin’ny minisitera amin’ny fahazoana manao fifaninanana dia hivoaka tsy ho ela ihany koa ny daty hanatanterahana ny fihaonana.

Nisy omaly ny fampahafantarana ireo mpanohana rehetra amin’ity fifaninanana ity, ny banky Bmoi sy ny Air France no anisany mpanohana ofisialy, eo ihany koa ny orinasa Orange Madagasikara, Canal +, Allianz sy ny maro hafa. Nambaran’dRakotonindriana Josoa hatrany fa « nisy ny fifampiresahana niarahana tamin’ireo mpanohana na mbola marisika izy ireo na tsia manoloana izao fihemorana izao ».

Teratany vahiny maro miampy ireo teratany malagasy no mandray anjara amin’ity fifaninanana ity.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés