Webradio

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : « Tsy ho lanim-bahoaka intsony ny kandidà HVM »

«  Aleo ny vahoaka no hitsara  », io no fanehoan-kevitra noentin’ny avy eo anivon’ny antoko AKFM manoloana ny fanambaràna nataon’ny mpikambana HVM fa ny filoha ankehitriny ihany no hangatahin’izy ireo ho kandidàn’ny antoko ho amin’ny fifidiana filoham-pirenena amin’ny taona 2018.  12 octobre 2017

Ny herinandro lasa teo no nanatanteraka fihaonana ireo mpikambana ao anatin’ny antoko misy ny fitondrana ankehitriny izay tarihin’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina.  Nilaza tamin’izany ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo fa «  ny Filoham-pirenena ankehitriny ihany no angatahin’izy ireo ho kandidàn’ny HVM  ». Manoloana izany dia nisy fanehoan-kevitra avy amin’ny antoko AKFM tamin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, Rakotomanga Eric. Nambarany fa tsy ho lanim-bahoaka intsony izay kandidà halatsaky antoko HVM raha izao fahoriam-bahoaka vokatry ny tsy fahombiazam-pitantanana misy ankehitriny izao no dinihina. 

«  Zon’ny HVM mihitsy ny mandrotsaka ny Filoham-pirenena ankehitriny ho kandida indray. Raha ny tena misy marina ny fifidianana malalaka, fifidianana madio  ary fifidianana mangarahara  sy eken’ny rehetra dia aleo hitsaran’ny vahoaka azy. Raha ny feom-bahoaka amin’izao fotoana dia tsy ho lany velively izy. Tsy misakana kosa anefa izany fametrahan’ny HVM amin’ny maha kandida azy  », hoy ny fanehoan-kevitra avy amin’ny antoko AKFM. Efa tsy takona afenina intsony ny tsy fahombiazam-pitantanan’ny mpitondra ankehitriny, indrindra fa eo amin’ny sehatra ny sosialim- bahoaka izay tsy misy fitsinjovana intsony. Iaraha-mahita amin’ny haino aman-jery sy ny gazety an-tsoratra mivoaka isan’ andro ny trangana tsy fandriam-pahalemana izay ahitan’ny fanjakana vahaolana mihitsy hatreto. 

Eo ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana ; fampanantenana ambony latabatra no betsaka fa ny fampiharana azy mivantana mba hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka dia mbola tsy misy hatramin’izay, voakasika ao anatin’izany ohatra ny vidim-bary eny an-tsena izay tsy mitsaha-mitombo isan’andro. Voafaritr’izay efa-taona naha teo amin’ny fitondrana ny antoko HVM izay ny mbola ho tohin’ny fitantanana ny firenena ho avy indray raha mbola hiverina eo amin’ny fitondrana izy ireo. Hatreto aloha mbola tsy hita izay fampandrosoana tena mivainga fa vao mainka aza latsaka an-katerena ny fiainam-bahoaka. Nilaza hatrany ny filoha nasionalin’ny antoko AKFM fa «  efa sokajin’olona rehetra amin’izao mihitsy no tsy manaiky izao fomba fitantanana izao  ». 

Mitsipaka marin-drano ny hanovana ny lalàmpanorenana

Mitovy hevitra tamin’ireo antoko politika hafa, ny fiarahamonimpirenena sasany, fikambanana tsy miankina isan-tokony, ny olon-tsotra izay efa nilaza ny heviny manoloana ny fikasan’ny mpitondra ankehitriny hikitika sy hanova ny lalàmpanorenana ny antoko AKFM. 

Nilaza, omaly, ny filoha nasionalin’ity antoko politika ity, Eric Rakotomanga fa mitsipaka marin-drano ny amin’izay mety ho fikitihana sy fanovana ny lalàm-panorenana kasain’ny fitondrana hatao izy ireo. «  Ny AKFM izany dia mitovy hevitra amin’ireo maro an’isa efa naneho ny heviny. Tsy fotoanan’ny fanovana ny lalàmpanorenana izao na fikitihana azy  », hoy ny nambarany. Aminy dia tsy tokony hataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana mihitsy ny fanovana ny lalàmpanorenana satria io no efa nanaovany fianianana fony izy vao tonga teo amin’ny fitondrana. 

«  Efa an-katoky ny famaranana ny fotoam-pitondrany ny Filoham-pirenena. Raha ohatra izy ka nanana eritreritra an’izany dia tokony talohan’ny nianianany tamin’io lalàm-panorenana io no nanaovany azy, tamin’io no nianianany  ary nilazany ihany koa tao anatiny fa hanaja amin’ny an-tsakany sy an-davany an’io lalàmpanorenana io izy. Io no nahalany azy  ka tsy tokony hokitihiny fa anjaran’izay filoha manaraka eo no manao an’izany. 

Tsy mety mihitsy ny fanovana ny lalàm-panorenana an-katoky ny fifidianana tahaka izao  », hoy hatrany ny fanehoan-kevitra avy amin’ny AKFM. Efa maro hatreto ireo nitondra ny heviny manoloana ity ho fanovana na tsia ny lalàmpanorenana ity. Iray feo ny rehetra fa tsy misy afa-tsy ny fikatsahan’ny mpitondra ny tombontsoany manokana no ao ambadik’izany, nisy aza ireo sahy nilaza fa hevi-petsy hifikirana eo amin’ny fitondrana no fonosin’ity fitetehan’ny fitondrana hanova lalàmpanorenana ity. 


Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés