Webradio

ZAVA-MISY

SEKOLY KATOLIKA JEAN XXIII ANATIHAZO ISOTRY : Tsy pesta velively no nahafaty ilay zaza

Enina andro taorian’ny fanehoan-kevitra nataon’i Vikera Jeneraly, Ludovic Rabenantoandro, izay raiamandreny eo anivon’ny Fiangonana Katolika Apostolika Romana na Ekar... 10 novembre 2017

eto amin’ny diosezin’Antananarivo dia nolazaina fa nisy mpianatra matin’ny aretina pesta tao amin’ny sekoly katolika Jean XXIII ao Anatihazo Isotry.

Ny mahakasika izay indrindra no nanaovanay fanadihadiana teny ifotony, nikatsaka ny marina satria toa mora amin’ny fanjakana ny milaza ankehitriny fa ny valan’aretina pesta no mahafaty ny olona.

Tsy afaka mandray ny razana ny fianakaviana raha izay no mitranga ka tena fahoriana mafy noho ny fahafatesana indray. Voaporofo àry fa tsy io valan’aretina io velively no nahafaty an-dRandriamaherison Tiana Gabriel, 11 taona, kilasy fahaefatra, zaza faharoa amin’ireo telo nateraky ny ray aman-dreniny. Betsaka ihany koa ireo nijoro vavolombelona.

Ny sekoly Katolika Jean XXIII Anatihazo Isotry

Sekoly iandraiketan’ny fikambanan’ny pretra Orioniste, miaina ny toe-panahin’i Don Bosco ny sekoly Katolika Jean XXIII. Izany hoe mifototra amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora ary manampy ny sahirana no asa sahanin’ireo pretra ao. Raha ny fampianarana ankapobeny izay niompanan’ny fanadihadiana ao amin’ity sekoly ity no atsidika kely amintsika mpamaky dia ahitana ambaratonga voalohany fototra misy mpianatra miisa 830 eo ho eo sy mpianatra 420 ao amin’ny ambaratonga faharoa fototra. Manodidina ny 40 isa ny mpanabe miandraikitra ireo mpianatra ireo.

Rehefa dinihina dia tena fanampiana ireo sahirana tokoa ny asa imasoan’ireo mpanabe rehetra sy ireo pretra miasa ao satria dia manodidina ny 1500 Ariary hatramin’ny 10 000 Ariary isam-bolana ny saram-pianaran’ny mpianatra. Ankoatra izay, omena sakafo antoandro avokoa izy rehetra ireo. Anisan’izany Randriamaherison Tiana Gabriel, izay mpianatra hendry sy mahay tokoa tao amin’ity sekoly ity, araka ny filazan’ireo akaiky azy.


Tsy aretina pesta no nahafaty an’i Tiana Gabriel

Nandeha ny resaka tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery maro fa vokatry ny tsy fanajan’ny katolika ny didy navoakan’ny fanjakana dia io fa nisy mpianatra maty tao amin’ny sekoly katolika iray ato anatin’ny diosezin’Antananarivo. Rehefa natao anefa ny fandihadiana dia tsy aretina pesta velively no nahafaty an’i Tiana fa aretina hafa mihitsy, araka ny fanazavana nomen-dramatoa Razananaivo Lalasoa Mariette, izay renibeny sy Randrianarison José Heritiana, rainy. Nanaja ny alarobia 25 oktobra 2017, nolazain’ny Monsenera Vikera Jeneraly hanombohana ny taom-pianarana ny tompon’andraikitra tao amin’ny sekoly eo ambany fiarovan’i Md Jean XXIII ka nampiakatra ireo mpianatra rehetra. Tonga nanatrika izany fanombohana izany koa i Tiana.

Ny alakamisy 26 oktobra hariva, nitaraina tamin’ny rainy izy fa maharary ny feny havia hatrany amin’ny rantsan-tongony. Nojeren’ny rainy izany ka tsy nisy atoditarimo satria nahiany ihany sao fambarana pesta. Fotoana fohy taorian’izay dia nitaraina ho narary an-doha izy. Marihina moa fa ity aretina an-doha ity dia efa mpitaiza azy sy ny aretina mifanitona ka nomen’ny rainy fanafody “paracétamol” avy hatrany izy fa izay no nisy tao an-trano. Afaka ny naharary tamin’ny tongotra taorian’izay ary nahita tory ihany koa ity zaza, araka ny fitantaran’ireo ray aman-dreniny nitaiza azy. Raha ny fandinihan’izy ireo dia vizana i Tiana satria nandritra ny fotoana tsy nianarana dia nanampy ny nenitoany nitaom-biriky, izay manao trano izy.

Mbola nitaraina narary ihany izy rehefa tonga ny zoma maraina ka tsy maintsy nentina tao amin’ny toeram-pitsaboana eo amin’ny sekoly, izay miandraikitra azy ireo. Natao ny fizahana ka hita fa aretin-tenda no mahazo azy. Efa ela io aretina io no tao aminy ka efa sarotra tsaboina ka tsy mahazo omena vaingam-panafody intsony izy, noho izany dia tsindrona nandritra ny roa andro no nasain’ny dokotera nataony. Taorian’izay tsindrona izay dia natanjaka i Tiana ny zoma tontolo.

Rehefa tonga anefa ny sabotsy 29 oktobra tamin’ny roa maraina, nitaraina ho naharary an-doha indray izy, araka ny fitantaran’ny rainy hatrany. Tsy nisy azon’ny tao an-trano natao fa dia ny andro maraina hamitana ny tsindrona. Rehefa nazava ny andro, niomana hitondra azy handeha hitsindrona ny rainy. Tampoka teo, nifanitona ilay zaza ka avy hatrany dia nentina tao amin’ny toeram-pitsaboana tao amin’ny sekoly sady hamita ilay tsindrona. Tsy nanaiky nanao izany intsony anefa ny masera mpitsabo tao satria tsy azo tsindromina hoy izy ny zaza mifanitona ka nalefany tany amin’ny hopitaly.


Nentina namonjy hopitalim-panjakana roa

Nandeha haingana tao amin’ny Hjra izy telo mianaka. Tonga tao amin’ity toeram-pitsaboana ity izy ireo tamin’ny 9 maraina tany ho any. Toy ny mahazatra, nanomboka tamin’izay fotoana nisian’ny valan’aretina pesta izay dia tsy maintsy atao aloha ny fitiliana. Maimaimpoana ny nanaovana izany. Nilaza ny dokotera fa tena aretin-tenda tokoa ny mahazo ilay zaza saingy tsy andraikitr’izy ireo ao ny manao izany ka dia nalefa tao Befelatanana izy ireo, araka ny fitantaran’ny rainy ihany. Ny zaza amin’io efa miha reraka. Rehefa tonga tao Befelatanana indray dia toy ny tao amin’ny Hjra ihany koa. Tsy maintsy atao ny fombafomba rehetra ary maimaimpoana ihany koa. Nitovy ihany koa ny valin’ny fitiliana fa tsy pesta fa aretin-tenda no mahazo ity zaza. Rehefa vita izany dia nasian’izy ireo fanafody aloha mba hanome hery azy satria efa hita fa tena reraka tokoa i Tiana, hoy hatrany ireo ray aman-dreniny.

Rehefa tsy nahitana soritr’aretina pesta ity zaza dia tsy noraisin’ny tao indray koa fa nomena safidy na ho eny Ambohimiandra na ho any Tsaralalàna.
Nisafidy ity farany ireo fianakaviana satria eo no akaiky azy ireo ka tsy lany fotoana amin’ny fivezivezena eo ihany koa ny tsy fahampiana ao an-tokantrano. Rehefa tonga tao àry dia nasaina nanao fitiliana indray ary nasaina nividy fitaovana hanaovana izany. 4800 ariary ny vidin’io fitaovana io. Raha efa izany dia nitovy ihany koa ny valiny ka noraisin’ireo tao ity zaza ka natao ny fikarakarana sy ny fitsaboana. Rehefa tonga ny tamin’ny 12 ora antoandro, maty ilay zaza, nasaina nividy fitaovana indray ireto fianakaviana ka izay mpitsabo rehetra nijery ny valiny dia nilaza avokoa fa tsy pesta no nahafaty ilay zaza. Tampoka teo anefa nentin’ny mpitsabo sasany tany amin’ny efitra hafa ilay valin’ny fitiliana ka nolazain’izy ireo fa matin’ny pesta i Tiana. Variana sady talanjona ireto fianakaviana satria niova tamin’ny ora farany ny vokatry ny fitiliana nanomboka ny maraina, izay tamin’ny toerana telo samihafa.

Azo eritreretina fa anisany nahareraka ilay zaza ny fivezivezena nitety ireo toeram-pitsaboana ireo satria izy efa marary moa ny andro koa mafana. Ny fianakaviana sahirana tsy manana fahafahana hivezivezy amin’ny fiarakaretsaka, hoy hatrany ireto akaiky azy. Nandaingana, izy mianaka nitondra ilay zaza, ary nilazana mba hanomana ny fikarakarana rehetra, hitondran’izy ireo ny razana. Raha vantany vao nivoaka ny efitrano nisy ilay zaza anefa izy ireo avy hatrany dia nakatona io efitra io ary tsy azo nidirana intsony. Tamin’ny 10 ora alina izy ireo vao afaka niditra nijery ny vatana mangatsikan’ity menaky ny ain’izy ireo. Tonga ny Bmh, izay arahana polisy maromaro naka ny razana halevina eny Anjanahary araka ny filazan’ireo tompon’andraikitra tamin’izy ireo.

Tsy afaka nanaraka ireo ray aman-dreny satria tsy nahitana karapanondro tany amin’izy ireo. Fahatokisana no napetrak’izy ireo tamin’ireo niantsoroka ny fandevenana ka niangaviany mba hitadidy izay toerana ametrahana razana. Ny ampitso izy ireo no namonjy ilay mpiasa ao amin’ny Bmh mba hanondro azy ireo ilay toerana nandevenana ny zanany.

Ny mahagaga, hoy ilay mpiandry ny toerana tamin’ireo fianakaviana dia tsy nahenoana fofona akory ity zaza, nefa izay olona alevina eo ka lazaina fa matin’ny pesta dia efa misy fofona avokoa, hoy hatrany ny fitantaran’ny rainy izay tena mbola ao anatin’ny alahelo tanteraka.

Nisy mpitsabo nijoro vavolombelona fa tsy pesta no nahafaty an’i Tiana

Nisy mpitsabo iray niresaka taminay fa tsy pesta velively no nahafaty ity zaza ity. Aretin-tenda tokoa no nahazo io zaza io. Misy fomba roa ahazoana io karazan’aretina io. Na avy amin’ny loto na avy amin’ny tsy fahazakana sakafo na vokatry ny tsy fahazakana toetr’andro na zavatra hafa. Tsy nahitana atoditarimo tamin’ny vatany. Rehefa nojerena ny valin’ny fitiliana dia tena aretin-tenda marina tokoa no nahazo azy. Izy rahateo efa manana ilay aretina an-doha sy fanitona mitaiza azy.

Tsy nisy hafa tamin’ny fanazavan’ity mpitsabo ity ny fampitana nataon’ireo ray aman-dreny niteraka an’i Tiana, izay niara-niaina sy mahafantatra tsara azy nandritra ny 11 taona niainany teto an-tany. Nomena fanafody mifanandrify amin’ny aretiny mba hitsaboana azy izy saingy tsy tana ny ainy. Ny nahagaga tamin’iny tranga iny, hoy ity mpitsabo ity dia ny avy amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena indray no nanao ny fanambaràna fa matin’ny pesta ilay zaza fa tsy ny avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamana ary nalevina amin’ny toerana tsy fantatra. Araka izany pesta politika no nahafaty ity zaza ity fa tsy pesta aretitratra na pesta atoditarimo, hoy hatrany ny fanehoan-keviny.


Fandraisana andraikitra no nataon’ny raiamandrenim-piangonana

Manoloana ny fijaliana mianjady amin’ny vahoaka ankehitriny dia niezaka ny raiamandreny eo anivon’ny fiangonana katolika, izay nosoloin’ny Vikera Jeneraly tena. Rehefa nodinihina ny zavatra hiseho taorian’ny fanehoan-kevitra nataony mahakasika ny tsy fanekena ny fidirana ho tamin’ny 06 novambra dia efa tsapan’ny maro fa tsy maintsy hataon’ny sasany izay hilazana fa hisy trangana pesta amin’ny sekoly katolika. Dia iny niarahan’ny rehetra nahita iny tokoa ny zava-niseho. Tsy azo tampenana, hoy izy ny vavan’ny olona fa mitory ny fahamarinana sy ny fitiavanan’Andriamanitra izy ireo amin’ny maha raiamandreny azy ka tsy maintsy mijoro ary baikon’ny fitiavana ka tsy voasakan’ny tahotra manoloana ny fahoriana sy ny fijaliana mianjady amin’ny vahoaka.

Raha vao nandre ny vaovao izy fa nisy mpianatra matin’ny pesta tao amin’ny sekoly katolika Jean XXIII, Anatihazo Isotry dia nandeha nidina an-tsehatra nitady ny porofo rehetra. Nambarany fa tsy pesta velively no nahafaty an’iny zaza iny. Naneho fanetren-tena ka nangina ity raiamandreny ity rehefa nahazo ny porofo rehetra fa tsy pesta velively no nahafaty ilay zaza. Ny nahavariana ny maro, taorian’ny fijoroany dia sahy nilaza ny fotoana hahafehezana ny pesta ny fanjakana. Nambaran’ity raiamandreny ity taminay àry fa “tsy midika ho fanohera na fankahalana ny fitondram-panjakana ny fitenenany fa tsy maintsy miteny kosa manoloana ny fahorian’ny vahoaka, izay efa tena mihatra aman’aina ankehitriny. Fanehoan-kevitra amin’ny maha raiamandreny no natao, izay baikon’ny fitiavana ary natao tamim-pitiavana izany. Manitsy raha misy ny tsy mety, mankahery kosa raha tsapa fa tsara ny natao. Tsy ny kristianina katolika irery ihany no nahatsiaro fa manana raiamandreny tamin’ireny fotoana ireny.

Maro aza ireo hafa finoana izay niresaka taminay no nankasitraka azy ka sahy niteny fa raha maromaro ny mpitondra fivavahana sahy mijoro sy vonona manao fanehoan-kevitra toa azy, tsy matahotra fa miteny am-pahendrena toy ireny dia mba hahatsiaro fahasambarana ny vahoaka satria amin’izao dia mahatsapa ho kamboty velon-dray noho ny tsy fihainoan’ny mpitondra ny fitarainan’izy ireo. Fehiny, fanalam-baraka ny sekoly katolika fotsiny izao zavatra izao, indrindra ny sekoly Jean XXIII, izay miahy sy manampy betsaka ireo mponina eny amin’ny faritra iva, izay tsy mba misy mpijery sy mpiahy. Manomboka indray ity ny fotoanan’ny orana. Miakatra ny karazam-boankazo isan-karazany. Tsy maharaka amin’ny fanalana ny fako manerana ny tanàna ny tompon’andraikitra, maloto ny tanàna. Koa manentana ny tsirairay mba samy hijoro ho tompon’andraikitra sahady manoloana izany mba tsy hiverenan’ny toy izao intsony, indrindra mba tsy hisian’ny valan’aretina hafa indray.

Izahay rehetra eto amin’ny vondron’ny Group Sodiat dia mamerina ny teny fiaraha-miory sy fankaherezana ny fianakavian- dRandriamaherison Tiana Gabriel manontolo.


A. Lepêcheur & Tahirisoa F.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés