Webradio

KIANJA VAVATENINA : Manomboka ny asa fanamboarana kianja filalaovam-baolina

An-taonany maro no nisahirana tamin’ny fampiasana kianja filalaovam-baolina ny mponina tao Vavatenina tampon-tanàna. 13 novembre 2017

Ny antony, dia nisy ny fifanolanana momba ny tany tamin’io kianja monisipaly hany tokana misy ao an-toerana. Fifanolanana izay tonga hatrany amin’ny fitsarana. Niravona tanteraka ny disadisa amin’izao fotoana izao. Izany no tanteraka dia vokatry ny fifampiresahana nisy teo amin’ireo solontenam-panjakana sy ny mpandova ny tany.
Niverina amin’ny vahoaka araka izany ny kianja filalaovam-baolina.

Tsy hoe niverina fotsiny fa hatsaraina. Ny zoma 10 novambra lasa teo no tonga tao Vavatenina ny iraky ny minisiteran’ny fanatanjahantena notarihin’ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo sy ny Préfet an’i Fenoarivo-Atsinanana nitondrana ny solontenan’ilay orinasa hanamboatra ny kianja. Ny andron’ny zoma io ihany, nanomboka avy hatrany ny asa tamin’ny alalan’ny fanorenana fefy vato.

Fefy izay hovitaina ny volana desambra. Ny volana janoary 2018 kosa no manomboka ny fanamboarana ny sisin’ny kianja, izany hoe fanamboarana ny pista fihazakazahana ho an’ny taranja atletisma. Fanamboarana pista arahin’ny fanamboarana ny « tribune » ho an’ny mpijery baolina. Hisy koa ny fanorenana kianja filalaovana volley-ball sy ny fanamboarana ny bozaka ambony kianja filalaovam-baolina.

Havadika ho kianja anisany manara-penitra indrindra ao anatin’ny Faritra Analanjirofo ny kianja ao Vavatenina. Fotodrafitrasa izay tena ilain’ny vahoaka ao an-toerana tokoa. Na ireo raiamandreny ara-drazana na ireo raiamandreny ara-pivavahana na ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Vavatenina, dia samy nankasitraka izao asa goavana tanterahina ao amin’ny kianja ao Vavatenina izao. Ho taona vaovao sy ho kianja vaovao ho an’i Vavatenina ny taona 2018.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés