Webradio

BELO AMORON’I TSIRIBIHINA : Nametraka paikady vaovao hiadiana amin’ny asan-dahalo ny Holafy 510

Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana dia ilaina paikady tsara lamina sy maty paika mba hahafahana mamongotra tanteraka ireo mpanao ratsy. 14 novembre 2017

Ilaina ihany koa anefa ny manovaova ireny paikady ireny mba tsy hahalalan’ny olon-dratsy mialoha izay mety hahatratra azy. Ankehitriny izao dia fantatra fa hametraka paikady vaovao hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana, hahafahana miaro ny vahoaka sy ny fananany, ny kaomandin’ny Holafy 510 any amin’iny distrikan’i Belo amoron’i Tsiribihina iny, ny lietnà Toky Andriamahery. Ity farany izay tompon’andraikitra vaovao mandray ny fibaikoana ny andian-tafika ao amin’ny Holafy. 

Araka izany dia nisy fanamafisana ny fahaiza-manao tamin’ny alalan’ny endrika fiofanana ara-miaramila. Izany dia sady rindran-damina rahateo entina hihetsehana handresen-tosika ny asan-dahalo izay mateti-pitranga any an-toerana amin’izao fotoana izao. Voalaza fa vonona ireo ao amin’ny andian-tafika handray ny andraikitra tandrify azy ary hitondra ezaka hanafoanana ny asan-dahalo. Manoloana izany dia misy fiarahamiasa takiana amin’ny rehetra, indrindra amin’ny fanomezana loharanom-baovao hahafahana misakana ireo mpanao asa ratsy. 


Manao fanentanana ara-tontolo iainana ny Holafy

Tsy vitsy tamin’ireo vahoaka efa nanokafana izao fiarahamiasa izao no velom-bolo ary nampanantena fa hiara-hanamafy orina ny ady hatrehina ary hiara-hanatratra ny tanjona amin’ny hisian’ny fandriampahalemana maharitra. Izany fiarahana miasa amin’ny vahoaka izany dia ezahana hahahenika ny distrika iray manontolo.

Ankoatra ny fitandroana izay tsy fandriampahalemanana izay dia tafiditra ao anatin’ny ezaka izay hatrehin’ireo tafi-bahoaka Holafy 510 any an-toerana ireo ihany koa manomboka izao ny fanentanana ny mpiara-belona any amin’ny tanàna rehetra izay holalovana ny amin’ny fitandroana ny tontolo iainana. Fanentanana izay mifototra amin’ny tsy tokony handripahana ny ala sy ny doro tanety. Ireo tranga ireo izay mahazo vahana ihany koa any amin’iny faritra iny.


Lucien R. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés