Webradio

SECES ANTANANARIVO : Mitaky ny hamoahana ny lalàm-pifidianana eken’ny rehetra

Manana ny anjara toerany lehibe eto amin’ny tany sy ny firenena ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra  na ny Seces, noho izy ireo mamolavola ny fahalalan’ny tanora izay tafiditra amin’ny fitondrana ny anjara biriky eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.  29 novembre 2017

Manoloana izany indrindra, namoaka ny heviny manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny ireo mpampianatra mpikaroka ho an’ny sampana eto Antananarivo. Tahaka ny fanahian’ireo antoko sy mpanao politika maro mahakasika ny lalàna mifehy ny fifidianana dia nanao fanambaràna ihany koa ny Seces afak’omaly izay nanaovan’izy ireo fangatahana ny hamoahana ny lalàna mifehy ny fifidianana eken’ny rehetra. 

Ahian’izy ireo ny hisian’ny krizy vaovao eto amin’ny firenena ka izay no antony anaovany antso avo amin’ny fahatongavan-tsain’ny fitondram-panjakana. Ankoatr’izay dia mangataka ny hisian’ny paikady tsara lamina avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ireo mpampianatra mpikaroka mba tsy hiverenan’ny valan’aretina pesta eto Madagasikara intsony. Nisy ny fanambaràna  nataon’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta fa foana tanteraka ny fisian’ny pesta eto amintsika. 

Nilaza anefa ny tenany fa any amin’ireo faritra ahitana ny aretina no mety mbola ahitana izany mandritra ny vanim-potoanan’ny pesta. Midika izany fa tsy misy ny vahaolana maharitra hamongorana ity areti- mandoza izay nandripaka mpiray tanindrazana maro ity ary fepetra tandrevaka sy tao anatin’ny hamehana fotsiny ihany no misy. Eo anatrehan’izany indrindra no anaovan’ny Seces fanairana mba tena vahaolana maharitra sy mitondra fahasalamana tanteraka ho an’ny vahoaka no hampiharina. Mbola takian’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ihany koa ny hisian’ny tany tan-dalàna eto Madagasikara ary ny tsy hisian’ireo tsy matimanota.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés