Webradio

MALAIMBANDY - MAHABO : Renim-pianakaviana iray maty notifirin’ny Zandary mpampandry tany

Mbola tsy nalevin’ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ity renim- pianakaviana namoy ny ainy, izay voalaza fa notifirin’ny Zandary tany amin’ny Fokontany Soarano Kaominina Malaimbandy, Distrikan’i Mahabo ity, raha ny tatitra voaray avy amin’ny fianakaviany.  4 décembre 2017

Nosaroman’ny fianakaviany lamba ihany ny razana fa tsy nahetsik’izy ireo eo amin’ny toerana nahafaty azy fa miandry zandary hanao fijerena io olona novonoin’izy ireo ity hatramin’izao. Ny sabotsy maraina teo tonga tao amin’ny Fokontany Soarano ireo Zandary mpampandry tany any amin’iny Faritra Menabe iny. Mbola tsy niditra ny tanàna akory izy ireo dia efa nanapoaka basy vao nandre izany ny fokonolona dia nandositra avy hatrany. Tonga tao an-toerana izy ireo dia voalaza fa nisambotra lehilahy miisa valo ary tsy fantatra ny toerana nitondrana azy ireo, raha ny fampitam-baovao azo. 

Nandritra izany ihany koa dia vehivavy iray no notifirin’ireo mpitandro filaminana ary faty efa mitsirara amin’ny tany no hitan’ny fianakaviany rehefa tonga tao an-toerana. Hatreto tsy mahafantatra ny zavatra tena niseho ka namonoana ity renim-pianakaviana ity ny fianakaviany ary ny nitondrana ireo vatan-dehilahy 12. 

Hatramin’ny omaly dia mbola tsy nahazo vaovao momba ireo 12 lahy ireo ny fianakavian’ny niharan-doza sady tsy nahazo fanazavana amin’ny antony namonoana ilay ramatoa ihany koa, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Voalaza fa namela kamboty 5 mianadahy ny vehivavy ary ny asa fambolena no fivelomany. Tompon-tanàna izy ireo, hoy ihany ny fianakaviana. Niakatra ao an-tampon-tanànan’i Morondava ny fianakavian’ilay namoy ny ainy nitondra fitarainana sy nanao antso avo amin’ireo manam-pahefana ao an-toerana omaly, manoloana ny nanjo ny havan’izy ireo. Mitady ny mangarahara amin’ny nahatonga famonoana io zanak’izy ireo, ireto farany. 

Maloto ary voatonontonona matetika amin’ny asa ratsy ny Zandary tato ho ato ka manontany ihany ny vahoaka manoloana izany hoe natao hiaro ve ny mpitandro filaminana sa hamono indray satria mitaraina ihany koa ny vahoakan’i Belo ankehitriny. Tsy ny dahalo izay asa nanirahana azy ireo mba hampilamina ny fandriampahalemana no ataon’izy ireo fa ny vahoaka voateritery any amin’iny Distrika iny ankehitriny, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana.

Pounie

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés