Webradio

RAHARAHA BRICKAVILLE : Naiditra am-ponja i Romeo, hahery vaika ny fitokonana

Mbola mitazona ny sain’ny mpanara-baovao manerana ny Nosy ny raharaha tora-bato ao Brickaville.  7 décembre 2017

Ny alakamisy 29 novambra dia nosamborina fanindroany tao Brickaville Randrianandrasana Romeo Lucien, fantatry ny maro amin’ny anarambositra hoe Dada. Izy izay mpivaro-kena ao Brickaville ary voarohirohy amin’ny raharaha fitorahana fiara na dia efa nahazo fahafahana vonjimaika ny alarobia 22 novambra aza. Ny andron’ny alatsinainy 4 desambra dia efa tonga teny amin’ny Fampanoavana ny antontan-taratasin’ady momba an’i Romeo. 

Ny andron’io alatsinainy io rahateo no tonga tao Toamasina izy rehefa nentin’ny zandary avy tany Brickaville taorian’ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitaly tao Brickaville ihany.

Nalaina handray io dosie an’i Romeo io kosa ireo mpitsara mpanao famotorana noho io raharaha Brickaville io izay voasokajy ho raharaha mahamay.  Ny tolak’ andron’ny talata 5 desambra vao nivoaka ny fehintenin’ny Fampanoavana. Voatazona vonjimaika ao Ambalatavoahangy miandry ny fitsarana azy i Romeo ankehitriny.

Hitohy ny fitokonana

Ny alatsinainy sy ny talata dia nitohy ny tsivorivory fitokonana nataon’ireo fokonolona tao Brickaville mitaky ny famotsorana an’i Dada. Ny angom-baovao voaray avy any an-toerana, ny marainan’ny alarobia 6 desambra no nahalalana fa tsy faly tanteraka amin’ny fitazomana am-ponja an’i Dada ireo fokonolona ao Brickaville, indrindra fa ireo mpiray monina aminy ao amin’ny fokontany St Jeannot sy ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’i Brickaville. 

Nilaza hanamafy fitokonana izy ireo ary nandrahona hanapaka ny lalam-pirenena faharoa mihitsy amin’ny alalan’ny fametrahana barazy raha tsy avoakan’ny fonja i Dada. Manizingizina mantsy ireto andian’olona mitaky ny famotsorana an’i Romeo (Dada) ireto fa endrikendrika tsotra izao no mahazo azy fa tsy izy velively no ao ambadik’io tora-bato io.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés