Webradio

OLEP : Miditra amin’ny fiarovana ny fihanaky ny solika amin’ny ranomasina sy an-tanety

Tao amin’ny Lapan’ny tanàna eto Mahajanga no natao ny fampianarana ambony latabatra  momba ny fisorohana ny fihanaky ny solika amin’ny ranomasina sy an-tanety rehefa misy loza.  7 décembre 2017

Nampahafantarin’ny mpampiofan’ny Olep na “Organe de Lutte Contre l’Evénement de pollution marine par les hydrocarbures” ireo mpiofana ny momba ny Olep, ny asany sy ny andraikiny ary ny asa vitany. Nampahafantarina ihany koa ny karazana loza mety hiseho ka mitarika fipariahan’ny solika sy singa simika na an-dranomasina io na an-tanety, ary naseho an-tsary. 

Ny fepetra noraisin’ny Olep tamin’izany. Voalaza tao moa fa raha latsaky ny 10 taonina ny solika miparitaka dia ny eo an-toerana no miandraikitra azy. Raha anelanelan’ny 10 taonina sy 200 taonina dia efa ilàna fanampiana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena saingy nanamarina ny mpampiofana fa mbola zakan’ny Olep eto Mahajanga tsara ny fanakanana izany. Misy ny famefena ireo solika miparitaka sy ny fitrohana azy ireo ary fametrahana azy ireo amin’ny toerana natokana hikarakarana azy ireo. Misy kosa anefa ny fampiasana ‘disperseur’.

Voalaza ihany koa fa araka ny karazana solika very ny asa atao. Efa manana traikefa amin’izany ny Olep. Manana ivon-toerana 15 izy ireo manerana an’i Madagasikara dia i Sainte Marie, Toamasina, Morondava, Maintirano, Nosy-Be, Antalaha, Vohémar, Antsiranana, Antsohihy, Analalava, Mahajanga, Taolagnaro, Toliary, Manakara ary Mananjary. 

Misy hatrany fanazarana amin’ny ady amin’ny fipariahan’ny solika amin’ny ranomasina amin’ireo ivon-toerana ireo, mba ho vonona ireo teknisianina raha misy tranga tampoka. Efa manana traikefa ihany koa izy ireo amin’ny fisorohana ny fihanaky ny solika amin’ny tany. Efa betsaka mantsy ireo fiarabe mpitatitra solika no tra-doza ary samihafa hatrany ny tranga mety miseho. Eo ihany koa ny halatra sy fanararaotana isankarazany ataon’ny mponina amin’ny toerana isehoan’ireny loza ireny. Marihina moa fa amin’ny tranga fipariahan’ny solika an-dranomasina noho ny olana amin’ny sambo dia misy ny fanonerana. 

Misy ihany koa ny fitsarana manokana azy ireny ka efa misy mpitsara Malagasy miisa enina nofanina manokana ahafahana mametraka fitsarana afaka mitsara resaka fandotoana ranomasina araka ny takian’ny fifanarahana iraisam-pirenena maro momba ny fahaverezan’ny solika an-dranomasina (fifanarahana Oprc 90, Clc 92, Fonds 92, Convention sur les hydrocarbures de soute, protocol Oprc-Hns).  Tsy miasa irery ny Olep fa miaraka amin’ny vahoaka sy ny vondrom-bahoakam-paritra ary ny sampan-draharaham-panjakana maro na dia ny ministeran’ny tontolo iainana aza no misahana azy mivantana.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés