Webradio

FARATSIHO : Ny vehivavy no tonga maro tamin’ny fitsarana mitety vohitra

Araka ny efa voalamina tao anaty tetiandro dia notanterahina nanomboka ny alarobia 06 desambra lasa teo, tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Faratsiho ny hetsika fitsarana mitety vohitra.  8 décembre 2017

Ity farany izay hetsika hanomezana kopia nahaterahana ho an’ireo zaza na ireo sokajin’olona rehetra mbola tsy manana izany. Fotoana ihany koa io hahafahana manome karapanondro maimaimpoana ho an’ireo izay mbola tsy manana izany kanefa efa tonga amin’ny taona tokony hananana izany. Am-polony araka izany ireo nomena ny kopia sora-pahaterahana raha an-jatony kosa ireo nomena ny karapanondrom-pirenena maimaimpoana.

Raha mitaha amin’ny zava-misy tany amin’ny toeran-kafa dia tsapa fa saika vehivavy no hita sy tazana fa maro an’isa tamin’ireo olona tonga tamin’ny hetsika tao Faratsiho ny andro voalohany. Anisany ezaka lehibe hatao ho fametrahana ny zo fototra maha olona izao hetsika izao ary eo ihany koa ny fanomanana ny fifidianana amin’ny taona ho avy mba hahazoan’ny misitraka ireo zony. 

Tonga nisolo tena ny fitsarana ambaratonga voalohany nanao izany hetsika izany ny lehiben’ny distrikan’i Faratsiho sy ireo mpiara-miasa aminy, izay voafaritra ao anatin’izay resaka izay. Fantatra fa mbola hitohy hatrany amin’ireo kaominina manodidina ny distrika ity hetsika ity, ary ireo toerana heverina ho lavitr’ezaka sy saro-dalàna no ezahana hatonina amin’izany.


Lucien R. 

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés