Webradio

TANAMBAO FAHADIMY - TOAMASINA : Vola 500 000 Ariary nahavitana nitifitra olona 2

Nirefotra ny basy tao Tanambao Fahadimy tsy lavitra ny Kaoperativa Fenosoava.  Ny alarobia 13 desambra tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro no nisehoan’izany. 15 décembre 2017

Rangahy iray 63 taona mpivarotra avy any amin’ny fokontany Sahandahatra, Kaominina Toamasina Faharoa no lasibatry ny fanafihana. Sahandahatra izay tanàna 15 km miala an’i Ivoloina. Nandeha nanamboatra ny fiarany nisy fahasimbana izy izao nisy nanafika amin’ny andro antoandro be nanahary izao.

Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso, dia jiolahy roa mitondra basy PA mitaingina môtô jog no tonga tampoka teo amin’ny toerana nanamboarany fiara teo Tanambao Fahadimy. Nambanan’izy ireo basy ilay rangahy mpivarotra avy any Sahandahatra sady norahonany hamoaka vola. Niezaka nanohitra ilay mécanicien. Vokany, notifirin’ireo olon-dratsy teo amin’ny tanany ilay mpamamboatra fiara. Norarafan’izy ireo tifitra ihany koa ilay rangahy mpivarotra avy any Sahandahatra ka voa teo amin’ny vavany ka naratra mafy.

Nendahin’ireo jiolahy ny sakaosy teny aminy ; izay fantatra fa nisy vola 500 000 Ariary tao anatiny, araka ny fanazavan’ilay voatafika. 

Tsy nisy sahy nanatona ireo nanatri-maso noho ireo mpanafika niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. Rehefa vita izay rehetra izay, dia rifatra nandositra tamin’ny môtô ireo olon-dratsy. Nentina teny amin’ny hopitaly kosa izy roa lahy izay samy naratra. Ilay mpanamboatra fiara nalefa teny amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno nanesorana ilay bala tavela tao amin’ny tanany raha tany amin’ny Hopitaly Be kosa no nandefasana an’ilay rangahy mpivarotra. Ity farany araka ny fanazavana azo avy tamin’ny fianakaviany izay efa nandalo fizahana feno tamin’ny alalan’ny fitaratra. Hita nandritra izany fa tsy tavela tao anaty vavany ilay bala fa nivoaka ivelany. Efa tsy misy atahorana ny fahasalaman’izy roalahy.


Efa indroa voatafika

Ny fanazavan’ny fianakavian’ilay rangahy avy any Sahandahatra hatrany no nahalalana fa efa fanindroany izao no nisy nanafika ny havan’izy ireo. Roa taona lasa, dia efa nisy nanafika tao Sahandahatra ihany koa ity mpivarotra ity ka vaky ny lohany tamin’izany fotoana izany.

Niverina nahazo vahana ao Toamasina ny asan-jiolahy amin’izao ankatoky ny fety izao.

 Mba manenjika volam-pety tahaka ny olana rehetra mantsy izy ireo. Saika isan’andro no ahenoana halatra môtô sy fanendahana finday ambony posy. Momba ity fanendahana finday ity, dia mandeha môtô ireo olon-dratsy mitily ireo olona mandeha posiposy bisikileta mitazona finday avo lenta. Ireo mpanao «  connexion internet » sy mpilalao «  jeu  » ambony posiposy bisikileta no tena lasibatra amin’izany. Variana miondrika ao ambany amin’ilay finday, tonga dia mamely tampoka ireo mpanendaka mandeha môtô. Maro no efa lasibatra, mila mitandrina ireo mbola tsy voa.

Kamy

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés