Webradio

FETY TAO MAHAJANGA : Nifanitsa-kitro ny olona teny amin’ ny “Bord de la mer”

Toerana isany be mpandeha sy be mpisafidy hatrany i Mahajanga rehefa fotoam-pialan-tsasatra na ny fotoanan’ny fety. Ankoatra ireo singa maro mampiavaka ny tanàna, dia mahasarika ireo mpiavy maro ihany koa ny maha toerana amorontsiraka an’i Mahajanga. 3 janvier 2018

Manoloana izany indrindra dia hatramin’ny harivan’ny alatsinainy teo dia tsapa ho nafana tanteraka ny tampon-tanànan’i Mahajanga. Maro ireo nikarakara lanonana maro samihafa ary isany nampiavaka ny andron’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao ny fisian’ireo zavamaneno re isaky ny elakelan-trano. Isany tena  nampiavaka ny fety tao Mahajanga kosa tamin’ity fitsenana ny taona vaovao ity ny  hamaroan’ny olona tonga teny amin’ny moron-dranomasin’i Mahajanga na ny «  Bord de la Mer  ».

Araka ny fanazavana, ny tsy fisian’ny rotsak’orana no isany nandresy lahatra ny mponina hivoaka hamonjy io toerana io. Etsy ankilan’izay dia tsy vitsy ihany koa ireo mponina no nanokana fotoana nifamangiana rehefa fotoanan’ny taom-baovao ka nahamaro ireo olona hita nifamezivezy eran’ny tanàna. Tsy toy ny mahazatra kosa fa hita ho somary nangingina ny tao an-tsenan’i Mahajanga, araka ny fanadihadiana. Maro amin’ireo olona hita ao Mahajanga amin’izao fotoana izao no mpiavy.

Izany hoe nanao fanahiniana ny hanao fety ao amin’ny renivohitry ny faritra Boeny mihitsy. Tafiditra ao anatin’izany ireo olona avy aty Antananarivo, ireo avy any amin’ny nosy Mayotte, avy any La Réunion. Tsikaritra ihany koa fa nanao ny asany sy ny andraikiny ireo avy eo anivon’ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fety.

Lucien R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés